Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 3:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ary na iza na iza hiantso ny anaran’ny TOMPO dia ho voavonjy. Fa eo an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka ny voalazan’ny TOMPO. Ary izay antsoin’ny TOMPO dia ho isan’ny afa-mandositra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho afa-mandositra; fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay voalazan’NY TOMPO, ary izay antsoin’NY TOMPO dia ho isan’izay sisa velona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ary na iza na iza hiantso ny anaran’ny TOMPO dia ho voavonjy. Fa eo an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka ny voalazan’ny TOMPO. Ary izay antsoin’ny TOMPO dia ho isan’ny afa-mandositra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ary na zovy na zovy hiantso ny Anaran’i Iaveh, dia ho voavonjy; fa ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema dia hisy fivorian’ny voavonjy araka ny voalazan’i Iaveh, mbamin’ireo eo amin’izay sisa velona, izay antsoin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, Araka izay efa voalazan’i Jehovah, Ary izay antsoin’i Jehovah dia ho isan’izay afa-mandositra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah, ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho afa-mandositra; fa ao an-tendrombohitra Ziona* sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay voalazan’NY TOMPO, ary izay antsoin’NY TOMPO dia ho isan’izay sisa velona.

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 3:5
15 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany dia niakatra nanafika ny tanànan’i Gata i Hazaela mpanjakan’i Siria, ka nahazo azy; rehefa izany, dia niomana hanafika an’i Jerosalema ihany koa izy.


Dia naka izay volafotsy sy volamena hitany tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny tahirin-dapa i Ahaza ka nandefa izany ho fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asiria.


Fa araka ny efa nambaran’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ny zava-tsarobidy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ary novakiny avokoa ny fanaka rehetra volamena izay nataon’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tempolin’ny TOMPO.


Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


«Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, avy ny andro izay tsy hanaovam-pianianana intsony hoe ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny Israelita hiala avy any Ejipta, ka mianiana aho...›,


Injany ireo mpandositra afa-nitsoaka avy any Babilônia mitondra ny vaovao ao Tsiôna: namaly faty an’i Babilôna ny TOMPO Andriamanitsika, namaly faty azy noho ny tempoliny masina Izy.


Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.


Noho izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hosokafako ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely tanindrazanareo.


Fa ho solon’izany kosa dia homeny voninahitra ny andriamanitry ny tanànamimanda; andriamanitra tsy fantatry ny razany akory izany kanefa hotoloran’io mpanjaka io volamena sy volafotsy ary vatosoa mbamy zava-tsarobidy hafa.


Ho ao an-tendrombohitra Tsiôna kosa ireo sisa tavela, ka hanjary masina indray io toerana io; ary ho lasan’ny taranak’i Jakôba ny tanin’ireo naka ny taniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra