Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 8:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Amin’izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ireo mpanjakan’i Joda sy ny an’ireo lehibeny, ny taolan’ireo mpisorona sy ny an’ireo mpaminany ary ny an’ireo mponina tao Jerosalema,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ny mpanjakan’ny Joda, ny taolan’ny lehibeny, ny taolan’ny mpisorona, ny taolan’ny mpaminany ary ny taolan’ny mponina any Jerosalema,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Amin’izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ireo mpanjakan’i Joda sy ny an’ireo lehibeny, ny taolan’ireo mpisorona sy ny an’ireo mpaminany ary ny an’ireo mponina tao Jerosalema,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - hofongarina avy ao am-pasany, ny taolan’ny mpanjakan’i Jodà, ny taolan’ny mpanapaka ao aminy, ny taolan’ny mpaminany, ary ny taolan’ny mponina ao Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ny mpanjakan’ny Joda sy ny taolan’ny lehibeny sy ny taolan’ny mpisorona sy ny taolan’ny mpaminany ary ny taolan’ny mponina any Jerosalema,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ny mpanjakan'ny Joda sy ny taolan'ny lehibeny sy ny taolan'ny mpisorona sy ny taolan'ny mpaminany ary ny taolan'ny mponina any Jerosalema,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Amin’izany andro izany, hoy NY TOMPO, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan’ny mpanjakan’ny Joda, ny taolan’ny lehibeny, ny taolan’ny mpisorona, ny taolan’ny mpaminany ary ny taolan’ny mponina any Jerosalema,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 8:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon’ny TOMPO, ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Ry alitara ô, ry alitara ô, izao no lazain’ny TOMPO: «Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny fianakavian’i Davida, ka ny anarany hatao hoe Jôsià. Eo aminao, ry alitara ô, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron’ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan’olona aza no hodorana eo aminao.


Dia niherika i Jôsià ka nahita ireo fasana terỳ an-tendrombohitra, ary naniraka olona izy haka ny taolana tao am-pasana hodorana eo amin’ny alitara mba hanazimbana azy araka ny tenin’ny TOMPO nambaran’ilay olon’Andriamanitra fony i Jerôbohama nitsangana teo anoloan’ny alitara nandritra ny fety. Niherika indray i Jôsià tamin’izay ka nahita ny fasan’io olon’Andriamanitra io


Ary novonoiny ho faty teo ambonin’ny alitara avokoa ny mpisorona izay teo amin’ireny toeram-panasinana ireny sady nandoroany taolam-patin’olona hanazimbana azy. Avy teo i Jôsià dia niverina tany Jerosalema.


Ary ny fatiny kosa haely amin’ity saha ity toy ny zezika aparitaka amin’ny tany, ka tsy hisy afaka hilaza hoe i Jezebela iny.»


Hoy kosa Andriamanitra hoe: «Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana sady Izaho tsy antsoiny akory!»


Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.


Ary ny herin’ny TOMPO nanindry ahy; ka ny Fanahiny no nitondran’ny TOMPO ahy ary nametrahany ahy tao amin’ny lohasaha midadasika iray rakotra taolana.


Hopotehiko ny alitaranareo ary hosimbako ny fitaovana fandoroanareo vovo-javamanitra mifangaro ka hataoko maty miampatrampatra eo anoloan’ny sampinareo ianareo.


Eny, hatsitrako eo anoloan’ny sarivongan-tsampiny ny fatin’ny Israelita ary haparitako manodidina ny alitarany ny taolany.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Môaba, fa indrindra ity anankiray ity: Nodorany ho sokay ny taolan’ilay mpanjakan’i Edôma. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra