Jeremia 5:17 - DIEM PROTESTANTA17 Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, hohaniny ny ondry aman’osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao sady horavany amin’ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana. Jereo ny tokoBaiboly Katolika17 Holanìny ny haninao amam-bokatrao; holanìny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; holanìny ny ondry aman’ombinao; holanìny ny voalobokao aman’aviavinao; horavany amin’ny sabatra ny tanànanao mimanda izay nitokianao.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, Hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, Hohaniny ny ondry aman-osinao sy ny ombinao, Hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao; Sady horavany amin’ny sabatra ny tanàna mimànda izay itokianao. Jereo ny tokoMalagasy Bible17 Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman'osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin'ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao. Jereo ny toko |
Na dia hiteny aza ny Edômita taranak’i Hesao hoe: «Rava sy potika izahay, nefa hatsanganay indray ny tanàna rava», Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia hamaly hoe: Aoka izy hanangana, fa Izaho kosa handrava. Ary ny olona hametaka anarana azy hoe: «Tany anjakam-paharatsiana» sy «Vahoaka tezeran’ny TOMPO mandrakizay».