Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 46:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Fanambaràna momba an’i Ejipta sy ny tafiky ny Farao Nekao, mpanjakan’i Ejipta. Tao Karkemisy teo amoron’ny ony Eofrata i Nekao no resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ny amin’i Ejipta. Ny amin’ny miaramilan’i Farao-Neko, mpanjakan’i Ejipta, izay teny amoron’ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Fanambaràna momba an’i Ejipta sy ny tafiky ny Farao Nekao, mpanjakan’i Ejipta. Tao Karkemisy teo amoron’ny ony Eofrata i Nekao no resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià mpanjakan’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ny amin’i Ejipta. Teny mamely ny tafik’i Nekô Faraôna mpanjakan’i Ejipta, teo amoron’ny ony Eofrata, tao Karkemisa, izay resin’i Nabokodonozora. mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ny amin’i Egypta. Ny amin’ny miaramilan’i Farao-neko, mpanjakan’i Egypta, izay teny amoron’ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ny amin'i Egypta. Ny amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 46:2
16 Rohy Ifampitohizana  

I Ejipta ve? Io volotara vaky manindrona sy mandrobaka ny tanan’izay mitehina aminy io ve? Fa toy izany ny Farao mpanjakan’i Ejipta amin’izay rehetra matoky azy!


Tamin’ny andro nanjakany no nitondran’ny Farao Nekao mpanjakan’i Ejipta ny tafiny ho any amoron’i Eofrata mba hanampy ny mpanjakan’i Asiria. Ary nandeha i Jôsià mba hifanehatra aminy; kanjo vantany vao hitan’ny Farao izy, dia novonoiny ho faty tao Megidao.


Nogadrain’ny Farao Nekao tany Riblà any amin’ny tanin’i Hamata izy mba tsy ho afa-manjaka any Jerosalema intsony; ary nampandoavin’io Farao io sazy volafotsy telo taonina sy volamena telopolo kilao ny fanjakan’i Joda.


Tsy sahy nivoaka ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta, satria lasan’ny mpanjakan’i Babilôna ny tany rehetra teo ambany fahefàn’i Ejipta hatreo amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata.


Tsy tahaka an’i Karkemisy ve no niafaran’ny tanànan’i Kalne? Tsy tahaka an’i Arpada ve no niafaran’i Hamata? Tsy tahaka an’i Damasy ve no niafaran’i Samaria?


Hafatra momba an’i Ejipta. Indro tonga any Ejipta ny TOMPO nitaingina rahona haingam-pandeha. Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.


Amin’izany andro izany, dia hisy alitara iray hatokana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ao afovoan’ny tany Ejipta ary tsangambato iray ho an’ny TOMPO any amin’ny sisintaniny.


Nisy hafatra azon’i Jeremià ho an’ny vahoaka rehetra ao Joda tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Babilôna.


Dia tonga ny anjaran’ny firenen-kafa: –Ny Farao mpanjakan’i Ejipta sy ireo tandapany ary ny mpifehiny mbamin’ny vahoakany rehetra,


dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no tonga tamin’i Jeremià izao teny avy tamin’ny TOMPO izao nanao hoe:


Ho avy hamely ny tany Ejipta izy, ka izay olona natao ho amin’ny areti-mandringana dia hianjadian’ny areti-mandringana, izay natao ho amin’ny fahababoana dia hianjadian’ny fahababoana, ary izay natao ho amin’ny sabatra dia hovonoina ho faty amin’ny sabatra.


Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:


Ambarao any Ejipta ny vaovao ary ampandreneso ao Migdôla sy ao Memfisa ary ao Tahapanehesa, ka ataovy hoe: «Mivonòna hiady ary miomàna, fa efa ripaky ny ady ny manodidina anao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra