Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 40:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Nefa namaly an’i Jôhanàna i Gedalià ka nanao hoe: –Aza manao izany zavatra izany! Fa tsy marina izay voalazanao momba an’i Jismahela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Hoy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama, tamin’i Johanana, zanak’i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an’Ismaela ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Nefa namaly an’i Jôhanàna i Gedalià ka nanao hoe: –Aza manao izany zavatra izany! Fa tsy marina izay voalazanao momba an’i Jismahela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Fa izao no nolazain’i Godoliasa zanak’i Ahikama, tamin’i Johanàna zanak’i Karea: «Aza manao izany, fa tsy marina akory izay lazainao momba an’i Ismaely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa hoy Gedalia, zanak’i Ahikama, tamin’i Johanana, zanak’i Karea: Aza manao izany hianao, fa miampanga lainga foana an’Isimaela hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa hoy Gedalia, zanak'i Ahikama, tamin'i Johanana, zanak'i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an'Isimaela ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 40:16
4 Rohy Ifampitohizana  

dia nitsangana i Jismahela sy ireo folo lahy niaraka taminy, ka namely an’i Gedalià tamin’ny sabatra ary nahafaty azy; kanefa izy no voatendrin’ny mpanjakan’i Babilôna hitondra ny tany.


Ary ahoana no tsy ahazoana manao hoe: «Ndeha hanao ratsy hiavian’ny soa»? Misy tokoa manendrikendrika ahy ho mpilaza izany; mendrika hohelohina ireo olona ireo!


tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora sosotra, tsy manao an-dolompo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra