Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 39:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’ny volana fahafolo, taona fahasivy nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny manontolo ka nanao fahirano ny tanànan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema ka nanao fahirano azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’ny volana fahafolo, taona fahasivy nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny tafiny manontolo ka nanao fahirano ny tanànan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tamin’ny volana fahafolo, amin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, dia tonga teo anoloan’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra, ka nanao fahirano azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY rehefa afaka Jerosalema (tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an’i Jerosalema ka nanao fahirano azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema ka nanao fahirano azy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, no nahatongavan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy ny miaramilany rehetra, hamely an’i Jerosalema ka nanao fahirano azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 39:1
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpanjakan’ny Babilônianina no nentin’ny Tompo namely ny vahoakany sy namono nahafaty ny miaramilany tamin’ny sabatra hatrany an-tempoliny mihitsy aza, ka tsy nisy olona nangorahan’io mpanjaka io, na tovolahy na tovovavy na ny olon-dehibe na ny antitra; eny, natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’i Nebokadnetsara avokoa ny zava-drehetra.


Nisy torolalana avy amin’ny TOMPO ho an’i Jeremià tamin’ny taona fahafolo nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakàn’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.


Niady tamin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, niaraka taminy ny tafiny rehetra sy ny miaramilan’ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin’ny vahoaka rehetra teo ambany fahefàny. Tamin’izany no tonga ho an’i Jeremià avy amin’n TOMPO izao teny manaraka izao:


saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanàna ity indray izy, ka hahafaka sy handoro azy. Ary ireo tanànan’i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»


Feno 21 taona i Tsedekià fony tonga mpanjakan’i Joda; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin’i Jeremià avy ao Libnà.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ireto mpanafika an’i Tsiôna: «Mikapà hazo hanaovana tovon-tany mba hamelezana an’i Jerosalema.» Iharan-tsazy io tanàna io fa feno fampahoriana ao aminy.


Tamin’ny taona faha-11 taorian’ny fahababoana, nony andro fahadimin’ny volana fahafolo, dia nisy lehilahy iray afa-nandositra avy tany Jerosalema ary tonga tao amiko ka nanao hoe: «Azom-pahavalo ny tanàna!»


Makà takela-by ka apetraho izany ho toy ny manda manelanelana anao sy ny tanàna. Banjino tsara ny tanàna: voan’ny fahirano izy izao, ary ianao no manao fahirano azy. Izany dia ho marika fampitandremana ho an’ny taranak’i Israely.


Tamin’ny fiandohan’ny taona faha-25 taorian’ny fahababoanay, ka ny andro fahafolon’ny volana, izany hoe 14 taona katroka taorian’ny naharavan’i Jerosalema, dia notsindrian’ny herin’ny Tompo aho, ka nentiny nankany.


Rehefa tapitra ny fotoanan’ny fahirano, dia hodoranao amin’ny afo harehitrao eo afovoan-tanàna ny ampahatelony. Ny ampahatelony hafa kosa hotetitetehinao amin’ny sabatra manodidina ny tanàna. Ary ny ampahatelony sisa haelinao eny amin’ny rivotra, ka Izaho no hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy.


–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ny fifadian-kanina izay tandremanareo amin’ny volana fahefatra sy fahadimy ary fahafito sy fahafolo, dia ho tonga fetim-pifaliana sy firavoravoana mahafinaritra ho an’ny vahoakan’i Joda. Kanefa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.


Hoentin’ny TOMPO ianareo sy ny mpanjaka hatsanganareo ho filohanareo mba ho any amin’ny firenena izay tsy fantatrareo na ny razambenareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa, dia vato aman-kazo voasokitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra