Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 33:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Haveriko amin’ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary ny Joda sy ny Israely dia hampodiko avy amin’ny fahababoany ka haoriko ho toy ny taloha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Haveriko amin’ny laoniny indray i Joda sy i Israely ka hareniko ho tahaka ny fahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Hampodiko ny babo tamin’i Jodà sy ny babo tamin’i Israely, ka haoriko ho tahaka ny taloha indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin’ny fahababoany, Ka haoriko ho toy ny taloha izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin'ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 33:7
28 Rohy Ifampitohizana  

Hira fiakarana. Fony nampody ny babo tamin’i Tsiôna ny TOMPO, dia ohatra ny nanonofinofy isika.


Avereno ho firenena matanjaka izahay, TOMPO ô, toy ny anondrahan’ny ranotrambo an’i Negeba.


Hivoaka avy ao Tsiôna anie ny famonjena an’i Israely! Ka hifaly sy hiravo ny taranak’i Jakôba, dia ny vahoaka Israely tsivakivolo, rehefa hambinin’ny TOMPO indray izy.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’ny terak’i Kôra.


Haveriko amin’ny laoniny ny mpitsaranao ho tahaka ny mpitsara taloha, ary koa ny mpanolotsainao ho tahaka ny tamin’ny andro fahiny. Amin’izay ianao dia hantsoina hoe ‹Renivohi-pahamarinana› sy ‹Tanàna mahatoky.› »


Injany ny feon’ireo napetrakao ho mpitily! Manandra-peo izy ka miara-mihorakoraka-pifaliana, satria mahita maso ny fiverenan’ny TOMPO ao Tsiôna.


«Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian’ondry sisa velona avy any amin’ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin’ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.


Fa hojereko am-pitiavana izy ka hampodîko amin’ity tany ity. Haoriko indray izy ka tsy horavako intsony, hamboleko indray ka tsy hongotako intsony.


Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hovako ny anjaranareo, ry fianakavian’i Israely ka hiantrako ny tokantranonareo. Haorina indray eo amin’ny havoany. ireo tanàn-dehibe tsirairay avy ary eo amin’ny toerany taloha ireo trano tsara tarehy.


Hanjary toy ny fahiny ianareo, ry taranak’i Jakôba: hotohizinareo indray ny fivorianareo eo anatrehako, ary hirotsaka an-tsehatra Aho hamely ireo nampahory anareo.


Fa teny hentitra avy amiko TOMPO izao: Ho avy ny andro izay hanovako ny anjaran’i Israely vahoakako ary koa ny an’i Joda. Haveriko ao amin’ny tany izay efa nomeko ny razany izy, hoy Aho, ka hizaka azy ho fananany indray.»


Mandraka ankehitriny dia nilofo namely azy Aho, mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanisy ratsy azy. Fa izao kosa hilofo hanasoa azy Aho mba hanarina sy hampiorina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Hoy ny teny hentitry ny Tompo hoe: «Indro avy ny andro, izay hananganana indray ny mandan’i Jerosalema ho voninahitro, manomboka amin’ny tilikambon’i Hananela ka hatrany amin’ny vavahady an-jorony.


Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko, ka ho voaorina; hiravahanao indray ny ampongatapakao hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.


Eny, ao amin’ny faritanin’i Benjamîna sy ao amin’ny manodidina an’i Jerosalema, any amin’ny tanànan’i Joda ary koa any amin’ny tanàna any an-tendrombohitra sy any amin’ny lemak’i Sefelà ary any Negeba, dia hisy fividianana saha indray; hosoratana ny fanekem-pivarotana ka hasiana tombokase ary hiantsoana vavolombelona, satria haveriko amin’ny laoniny. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»


Koa hariako ve ny taranak’i Jakôba sy ny an’i Davida mpanompoko? Holaviko ve ny hanendry lehibe hitondra ny taranak’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba? «Tsia, fa hamerina azy amin’ny laoniny Aho ary hamindrafo aminy.»


«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.


Amin’izany andro sy fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia hiara-tonga ny Israelita sy ny Jodeanina, ka sady mitomany izy no mandeha hitady Ahy TOMPO Andriamaniny.


Efa tapitra ny famaizana anao, ry Tsiôna, ka tsy hoentina ho babo intsony ianao. Fa ianao kosa, ry Edôma, hovalian’ny Tompo ny fahadisoanao, hovakiny bantsilana ny helokao.


«Kanefa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ankehitriny dia hamindrako fo ny Israelita rehetra izay taranak’i Jakôba ka hampodiko avy amin’ny fahababoany; ary hotakîko ny hanajan’ny olona rehetra ny anarako masina.


Hofaiziko izy noho ireo andro nandoroany vovo-javamanitra mifangaro ho an’ireo Bahala isan-karazany: niravaka peratra sy firavaka izy, ka nanaraka ireo lehilahy sakaizany; fa Izaho TOMPO kosa nohadinoiny, hoy ny teny hentitra ambarako.


Amin’izany fotoana izany tokoa no hampodiako sy hamoriako anareo. Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo; homeko voninahitra sy laza ianareo any amin’ny firenena rehetra eto an-tany.»


Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Mbola hihoa-pampana indray ny fanambinana ireo tanànako; sady Izaho TOMPO mihitsy no mbola hampionona an’i Tsiôna indray ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra