Eny, hatramin’ny andron’ireo razanay ka mandraka androany, dia lehibe ny fahotanay vahoakanao; ny helokay ihany no nanoloranao anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tanan’ireo mpanjakan’ny tany hafa hovonoin-tsabatra, ho babo, ho voaroba, ary hangaihay tahaka ny mbola mihatra aminay izao.
Izaho no nampiditra anareo ho ao amin’ny tany lonaka mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy; kanjo rehefa tafiditra tao ianareo dia nolotoinareo ny taniko ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.
Rariny ny nataon’ny TOMPO, satria efa nanohitra ny baikony aho. Mihainoa tsara, rey olona rehetra eto ka jereo ny fijaliako: ny tovovaviko sy ny tovolahiko dia samy lasa ho any an-tsesitany.
Efa nanota dia nanota i Jerosalema, ka izany no mahatonga azy ho fako maharikoriko. Izay rehetra nanaja azy mamingavinga satria mahita azy mitanjaka. Na ny tenany aza dia misento sady lasa nihodina.
«Fa hoy Aho tamin’ireo zanany tany an-taniefitra: ‹Aza manaraka ny fanaon-drazanareo ianareo na mitandrina ny fitsipiny na mandoto tena amin’ny fanompoana ny sampiny.
Kanjo nikomy tamiko koa ireo zanany. Tsy narahiny ny lalànako ary tsy notandroviny hotanterahina ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny, sady nozimbazimbainy ny andro sabatako. Koa nihevitra Aho ny hampihatra sy hampitosaka ny fahavinirako amam-pahatezerako aminy any an-taniefitra.
raha tàhiny ialànareo ny fanekempihavanana izay efa nandidian’Izy TOMPO Andriamanitrareo anareo; ary raha mandeha manompo andriamani-kafa ianareo ka hiankohoka eo anatrehan’ireo, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ny TOMPO ka ho levona faingana tsy ho eto amin’ity tany soa nomeny anareo ity ianareo.