Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 32:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Manana fikasana lehibe Ianao ary manan-kery hanatanterahana azy. Arakao maso avokoa izay izoran’ny olombelona mba hamalianao azy araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 lehibe amin’ny fisainana sady mahery amin’ny atao; fa mibanjina ny alehan’ny zanak’olombelona rehetra ny masonao mba hanome azy rehetra, araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Manana fikasana lehibe Ianao ary manan-kery hanatanterahana azy. Arakao maso avokoa izay izoran’ny olombelona mba hamalianao azy araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny asa; ny masonao ajerinao ny lalan’ny taranak’i Adama rehetra, mba hamalianao azy, araka ny lalany avy, sy araka ny vokatry ny asany avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 lehibe amin’ny fisainana sy mahery amin’ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan’ny zanak’olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny làlany avy sy araka ny vokatry ny asany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 32:19
35 Rohy Ifampitohizana  

dia mba mihainoa avy any an-danitra Ianao, TOMPO ô, ka midira an-tsehatra hitsara ireo mpanomponao ireo; dia sazio ny olo-meloka ary atsingereno aminy ny ratsy nataony, fa ambarao ho marina kosa ny olo-marina ka valio soa araka ny fahamarinany.


Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adala ianao tamin’io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.


Fa mamaly ny olona araka ny asany Izy ka manome azy araka ny fitondrantenany.


Fa arany maso ny toetran’ny olona, ary hitany avokoa ny lalan-kalehany.


Lehibe ny asa ataon’ny TOMPO ka tsapan’izay rehetra mankafỳ an’ireny.


hiala amin’ny ratsy ka hanao ny tsara ary haharitra hikatsaka fiadanana.


Izao no tenin’Andriamanitra fandreko matetika: «Ahy ny hery!»


Lehibe tokoa izay nataonao, TOMPO ô, ary lalina aoka izany ny fisainanao!


TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?


Fa izay toetran’ny lehilahy tsirairay dia eo imason’ny TOMPO hatrany ka dinihiny avokoa izay izorany.


Ahy ny fahaiza-mamolavola sy mampihatra; Ahy koa ny fahaiza-manavaka sy ny hery manatanteraka.


Fa hotsarain’Andriamanitra avokoa ny zavatra atao, dia ny amin’izay rehetra fonosiny na tsara izany na ratsy.


Izany koa dia avy amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Ilay maneho fikasana mahagaga sy fahaiza-manao mahatalanjona.


Iza no naharefy ny Fanahin’ny TOMPO, iza no nahatakatra ny fikasany?


Hamaly ny olona araka ny nataony Izy, dia valifaty mirehidrehitra tokoa ho an’ny mpanohitra Azy sy ho an’ny fahavalony; hatramin’ireo any amin’ny nosy lavitra aza! dia hiharan’izany valifaty izany.


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


Fa arahiko maso ny fitondrantenany rehetra ka tsy misy miafina amiko; eny, miharihary eo imasoko ny helony.


–Izaho TOMPO kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an’eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona.


Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin’ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon’izany afo izany.


Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany.


Anjaran’ny Babilônianina kosa amin’izay ny hanompo firenen-dehibe sy mpanjaka mahery. Havaliko azy ny ratsy rehetra nataony.


Izany no ambaran’ilay vato izay hitanao niendaka tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana, ka nanapotika ny vy sy halimo mbamin’ny tanimanga sy volafotsy ary volamena. Nampahafantarin’Andriamanitra lehibe anao, ry mpanjaka ô, izay hiseho amin’ny hoavy. Tena marina ny nofinao ary azo antoka ny heviny.»


Hafatry ny TOMPO. Any amin’ny tanin’i Hadràka no tafapaka ny teniny, ka niato tao Damasy; satria samy an’ny TOMPO na ireo tanànan’i Arama na ny fitambaran’ireo fokon’ny Israely.


Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.


ary hiala avy ao izy rehetra, ka izay manao ny tsara dia hitsangana mba ho velona aina, fa izay manao ny ratsy kosa dia hitsangana mba hohelohina.


satria tsy maintsy hiseho eo anatrehan’i Kristy mba hotsarainy isika rehetra, ka handraisan’ny tsirairay avy ny tandrify azy araka izay nataony na tsara na ratsy fony mbola velona tao amin’ity vatana ity.


Tafaray amin’i Kristy izahay ka tonga anjara lovan’Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan’Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain’ny sitrapony.


Tsy misy zavaboaary miafina amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imasony, ary Izy no hampamoaka antsika ny amin’izay ataontsika.


Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.


«Indro avy faingana Aho, hoy i Jesoa; ary miaraka amiko ny valin’asa, mba hamaliako ny olona rehetra araka izay nataony avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra