Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 25:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nisy hafatra azon’i Jeremià ho an’ny vahoaka rehetra ao Joda tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia ny amin’ny Joda rehetra tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda, ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nisy hafatra azon’i Jeremià ho an’ny vahoaka rehetra ao Joda tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Teny tonga tamin’i Jeremia, momba ny vahoaka rehetra any Jodà, tamin’ny taona faha-4 nanjakan’i Jôakima, zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, taona voalohany nanjakan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia ny amin’ny Joda rehetra tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’ny Joda–dia ny taona voalohany nanjakan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny Joda rehetra tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 25:1
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia i Eliakima rahalahin’i Jôahaza no nataony mpanjaka tamin’i Joda sy i Jerosalema, ary novany anarana hoe Jôiakima; fa i Jôahaza rahalahiny kosa nalain’i Nekao ka nentiny ho any Ejipta.


Ary i Nebokadnetsara, mpanjakan’i Babilôna, no niakatra namely azy ka namatotra azy tamin’ny gadra varahina mba hitondrany azy ho any Babilôna.


sy tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda, ka hatramin’ny taona farany nanjakan’i Tsedekià, zanakalahin’i Jôsià iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11 nanjakan’i Tsedekià tamin’ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema.


Nisy torolalana avy amin’ny TOMPO ho an’i Jeremià tamin’ny taona fahafolo nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakàn’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.


Tamin’ny andron’i Jôiakima, zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, dia tonga ho an’i Jeremià avy amin’ny TOMPO izao teny izao:


Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià sady mpanjakan’i Joda, no tonga tamin’i Jeremià izao teny avy tamin’ny TOMPO izao nanao hoe:


Fony i Baròka zanakalahin’i Nerià nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin’i Jeremià, dia taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda tamin’izay; ka hoy ny teny nataon’i Jeremià mpaminany tamin’i Baròka:


Fanambaràna momba an’i Ejipta sy ny tafiky ny Farao Nekao, mpanjakan’i Ejipta. Tao Karkemisy teo amoron’ny ony Eofrata i Nekao no resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià mpanjakan’i Joda.


Nisy baiko avy amin’ny TOMPO tonga tamin’i Jeremià ka nandidy azy


Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôiakima mpanjakan’i Joda dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nanao fahirano azy.


Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.


Ary tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Nebokadnetsara, dia nanonofy izy. Nampitebiteby azy izany, hany ka tsy nahitany tory.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra