Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 21:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Fanambaràna ho an’ny fianakavian’ny mpanjakan’i Joda. Mihainoa ny tenin’ny TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Henoy ny tenin’NY TOMPO ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Fanambaràna ho an’ny fianakavian’ny mpanjakan’i Joda. Mihainoa ny tenin’ny TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary lazao amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary henoy ny tenin’i Jehovah ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary henoy ny tenin'i Jehovah ny amin'ny taranaky ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Henoy ny tenin’NY TOMPO ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 21:11
6 Rohy Ifampitohizana  

Lazao amin’ny mpanjaka sy ny reniny hoe: «Mipetraha amin’ny tany ianareo, satria efa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.


Ka lazao amin’ny mpandalo hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo mpanjakan’i Joda sy ianareo rehetra vahoakan’i Joda ary ianareo rehetra mponina eto Jerosalema izay miditra amin’ireto vavahady ireto.


ianareo taranak’i Davida. Izao no lazain’ny TOMPO: Fanaovana fitsarana ara-drariny no tontosay isa-maraina. Afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany fandrao hitroatra ny fahatezerako ka ho afo mandoro tsy hay vonoina. Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.


Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Midîna any an-dapan’ny mpanjakan’i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity


Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda: Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan’ny olona hoe: «Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!» «Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!» Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: «Indrisy, ry tompokolahy!» «Indrisy, ry ilay hajaina!»


Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra