Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 2:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Izaho no nampiditra anareo ho ao amin’ny tany lonaka mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy; kanjo rehefa tafiditra tao ianareo dia nolotoinareo ny taniko ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nitondra anareo niditra tany amin’ny tany mahavokatra Aho mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; kanjo nony tafiditra ianareo dia nolotoinareo ny taniko sady nataonareo fahavetavetana ny lovako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Izaho no nampiditra anareo ho ao amin’ny tany lonaka mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy; kanjo rehefa tafiditra tao ianareo dia nolotoinareo ny taniko ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo, mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy. Kanjo nony tafiditra ianareo nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo fahavetavetana ny lovako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary nitondra anareo niditra ho any amin’ny tany mahavokatra Aho, Mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra hianareo, dia nolotoinareo ny taniko, Sady novetavetainareo ny lovako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary nitondra anareo niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Nitondra anareo niditra tany amin’ny tany mahavokatra Aho mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; kanjo nony tafiditra ianareo dia nolotoinareo ny taniko sady nataonareo fahavetavetana ny lovako.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:7
28 Rohy Ifampitohizana  

Nahazo tanàna mimanda sy tany lonaka izy; nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany, lavaka famorian-drano voahady, tany voavoly voaloboka sy ôliva, ary tany misy hazo fihinam-boa marobe. Noho ny hatsaramponao lehibe, dia nihinana izy ka voky ary nihanatavy ka faly nanaram-po.


Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao, nariany lavitra azy ny lalànao, novonoiny ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hiverina aminao; koa notevatevainy tokoa Ianao.


Fa hotahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tokoa izy telo tonta ireo ka hataony hoe: «Hotahîna anie i Ejipta vahoakako sy i Asiria asan’ny tanako ary i Israely anjara fananako!»


Koa, ho fanombohana, dia hovaliako indroa heny ny helony sy ny fahadisoany satria nandoto ny taniko tamin’ireo fatin-tsampiny maharikoriko izy sady nameno ny anjara fananako tamin’ny andriamani-tsiizy mahatsiravina.»


Hoy ny TOMPO tamiko: Raha misy lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka mandao azy ravehivavy mba hanambady olon-kafa, moa mahazo mampody azy indray ve izy? Tsia, fa haloto ny tany. Kanefa ianao, ry Israely, dia efa lehilahy maro no nijangajanganao, hoy ny teny hentitry ny Tompo; ka moa hahazo miverina amiko indray ve ianao?


Atopazo eny amin’ny havoana ny masonao: jereo raha misy toerana tsy nandrian’olona taminao. Tahaka ny Arabo mpirenireny any an-taniefitra miandry ny rembiny no nipetrahanao teo amoron-dalana niandry ny lehilahinao. Ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany.


Nijangajanga tamin’ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin’ny nataony.


Tonga teto tokoa izy ary naka ny tany ho fananany; saingy tsy nihaino izay nolazainao izy, ary tsy nanaraka ny lalànao sady tsy nanatanteraka ny zavatra rehetra nasainao nataony; koa izany no nampiharanao izao loza rehetra izao aminy.


Fa ny Israelita sy ny Jodeanina dia efa nanao izay ratsy teo imasoko hatramin’ny fiandohan’ny tantarany, ary tsy nisy asa nataony afa-tsy ny nampalahelo Ahy; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


ny nanaovako izany fianianana izany dia satria tsy nanatanteraka ny fitsipiko izy fa nanamavo ny lalànako sady nanimbazimba ny andro sabatako, ary voasinton’ny sampin’ireo razany.


Nitarika azy ho ao amin’ny tany izay nianianako homena azy Aho. Nefa nony nahita ireo tendron-kavoana misy hazo matevina izy, dia nanolotra sorona teo. Nanolotra fanatitra sy zava-manitra fampitoniana izy sady nandraraka divay teny ka nampirongatra ny hatezerako.


Tamin’izany andro izany no nianianako fa hampamoaka azy hiala any Ejipta Aho mba hitondra azy ho amin’ny tany nomaniko ho azy manokana, dia tany izay tondra-dronono sy tantely sady mahafinaritra noho ny tany hafa rehetra.


«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nanadino Ahy ianao ka niodina tamiko, dia hizaka ny vokatry ny filibàna amam-pijangajanganao›. »


«Ry ilay taranak’olombelona, fony mbola teo amin’ny taniny ny Israelita dia nandoto izany tamin’ny fitondrantenany sy ny asany. Eny, teo imasoko ny fitondrantenany dia naloto tahaka ny fadimbolan’ny vehivavy.


I Efraîma dia tsy hahazo monina intsony eo amin’ny tanin’ny TOMPO; fa tsy maintsy hiverina any Ejipta izy na hankany Asiria hihinan-java-pady.


Mitsangàna ka mialà, fa tsy misy fitsaharana ho anareo intsony eto. Satria ny fahalotoanareo hahatonga fandringanana, dia fandringanana mahatsiravina.»


Izao no notantarain’ireo mpisafo tamin’i Mosesy: –Nankany amin’ny tany izay nanirahanao anay izahay, ka hitanay fa tany tondra-dronono sy tantely tokoa ilay izy. Itony no vokatra avy tany.


Tsy havelanareo hiloaka alina eo amin’ny hazo izany faty izany, fa tsy maintsy halevinareo androtriny ihany, satria voaozon’Andriamanitra ny faty mihantona amin’ny hazo; koa aza lotoina ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.


Anjaran’ny TOMPO kosa ilay vahoakany; ny taranak’i Jakôba no natokany ho fananany.


Tanteraho izay mahitsy sady tsara eo imason’ny TOMPO mba ho sambatra ianareo sy hiditra hahazo ny tany soa izay tamim-pianianana no nampanantenan’ny TOMPO azy ny razambenareo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra