Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 10:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Ny firenen-kafa izay tsy mahalala Anao, dia ny vahoaka izay tsy mivavaka aminao, no aoka hisafoahan’ny hatezeranao. Fa nandripaka an’i Jakôba ireo, eny, nandripaka azy hatramin’ny farany ary nandrava ny toeram-ponenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Aidino amin’ny Jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ny taranaka izay tsy miantso ny anaranao; fa mandripaka an’i Jakoba ireo, eny, mandripaka sy mandringana azy, eny mandrava ny fonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ny firenen-kafa izay tsy mahalala Anao, dia ny vahoaka izay tsy mivavaka aminao, no aoka hisafoahan’ny hatezeranao. Fa nandripaka an’i Jakôba ireo, eny, nandripaka azy hatramin’ny farany ary nandrava ny toeram-ponenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Ny firenena tsy mahalala Anao no rotsahy ny fahatezeranao, dia ny vahoaka tsy miantso ny anaranao; fa nolanîny i Jakôba dia nolanîny, vitainy izy, ary ny fonenany ravany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Aidino amin’ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, Dia amin’ny taranaka izay tsy miantso ny anaranao; Fa efa nihinana an’i Jakoba ireo, Eny, nihinana sy nahalevona azy– Ary nahalao ny fonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Aidino amin’ny Jentilisa* izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin’ny taranaka izay tsy miantso ny anaranao; fa mandripaka an’i Jakoba ireo, eny, mandripaka sy mandringana azy, eny mandrava ny fonenany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 10:25
28 Rohy Ifampitohizana  

«Toy izany, hoy ireo, no miandry ny fonenan’ny mpanao ratsy; izao no manjo ny toerana izay tsy niekena an’Andriamanitra.»


Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana, sady Izaho tsy antsoiny akory!»


fa tsy mba nanao izany tamin’ny firenen-kafa ka ny fitsipiny tsy mba fantatr’ireo. Haleloià!


Raha manatona kosa ny olon-dratsy toy ny biby masiaka hamely ahy, dia ireo fahavalo mandrafy ahy ireo no ho lavo hitsikasina amin’ny tany.


Hojambena anie ny masony ka tsy hahita, hanjary manjoko lalandava anie izy!


Dia izao koa no lazain’ny Tompo: «Tsy Izaho no nantsoinao, ry firenen’i Jakôba, ary efa sasatra tamiko aza ianao, ry vahoaka Israely.


Na dia izany aza anefa, TOMPO ô, Ianao no Rainay; tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy ary asan’ny tananao izahay rehetra.


Dia toy izany no nikapohan’Andriamanitra ny vahoakany; kanefa tsy niverina tamin’Andriamanitra ihany izy, tsy notadiaviny ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Izao no hafatra avy amin’ny TOMPO nampitondraina an’i Jeremià:


Nefa izay rehetra mandripaka anao dia mba haripaka ihany koa; izay rehetra mankahala anao dia mba hatao sesitany ihany koa; izay mamabo anao dia mba hobaboina ihany koa; ary izay rehetra mandroba ny fanananao dia mba hatolotro horobaina ihany koa.


I Israely dia toy ny ondry very izay nenjehin’ny liona. Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.


Izay fahavalo rehetra nahita azy dia nandripaka azy avokoa sady nanao hoe: «Tsy misy mahadiso antsika izao, satria ireo no meloka eo anatrehan’ny TOMPO izay fonenam-pamonjena sy fanantenan-drazany.»


Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.


Toy ny amin’ny andro fety, TOMPO ô, dia nantsoinao ireo mpampihorohoro manodidina ahy; ka tamin’ny androm-pahatezeranao dia tsy nisy sisa velona na afa-nitsoaka, fa ireo ankizy notezaiko sy nokoloiko dia naripaky ny fahavaloko avokoa.


Holevoniko izay mihataka miala amiko TOMPO ka tsy mitady AHY sady tsy mila hevitra amiko.»


Koa dia andrasonareo ny famaizako amin’ny andro hiaviako hiampanga anareo. Tapa-kevitra Aho hanangona ny firenena sy fanjakana mba hampidinako manontolo ny fahatezerako mirehidrehitra; ka handevona ny tany manontolo ny afon’ny fahasaro-piaroko.


kanefa kosa mirehi-pahatezerana mafy amin’ireo firenen-kafa matoky tena loatra; satria fony Aho mbola tezitra kely tamin’i Israely, no nampitombo fahoriana azy kosa ireo.


Ray ô, mandala ny rariny Ianao, ka tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.


Raha nitsangantsangana eran’ny tanàna aho, ka nijerijery ireo toeram-pivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: «Ho an’ilay Andriamanitra tsy fantatra.» Ka izany tsy fantatrareo izany, kanefa ivavahanareo, no ambarako aminareo.


Samia tonga saina araka ny tokony ho izy, ka aza manota intsony. Misy manko aminareo tsy mahalala an’Andriamanitra akory: ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.


fa tsy hobaikoin’ny filàndratsy, toy ireo mpanompo sampy izay tsy mahalala an’Andriamanitra;


voahodidin’afo miredareda Izy no tonga hanasazy ireo tsy mahalala an’Andriamanitra sady tsy manaiky ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa Tompontsika.


Dia reko nisy feo mahery avy tao amin’ny tempoly nanao tamin’ny anjely fito hoe: «Mandehana, araraho amin’ny tany ny ao anatin’ireo lovia fito feno ny haviniran’Andriamanitra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra