Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 10:23 - DIEM PROTESTANTA

23 TOMPO ô, fantatrao fa ny olombelona tsy mahafehy ny lalany, ary ny mpivahiny tsy mahalamin-dia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 TOMPO ô, fantatro fa tsy miankina amin’ny olombelona ny lalan-kalehany, ary tsy miankina amin’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 TOMPO ô, fantatrao fa ny olombelona tsy mahafehy ny lalany, ary ny mpivahiny tsy mahalamin-dia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Fantatro, ry Iaveh ô, fa tsy ny olombelona ny tompon’ny lalany, tsy mba an’ny olona mandeha, ny manitsy ny diany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, Na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Jehovah ô, fantatro fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny hahalavorary ny diany

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 TOMPO ô, fantatro fa tsy miankina amin’ny olombelona ny lalan-kalehany, ary tsy miankina amin’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 10:23
9 Rohy Ifampitohizana  

no nifikiran’ny diako; ny tongotro tsy mba nivoana hiala amin’ireo soritrao.


Rehefa mahafaly ny TOMPO ny fitondrantenan’olona iray, dia Izy no hampahery azy eo amin’ny lalan-kalehany;


Fikasana no an’ny olombelona fa an’ny TOMPO kosa ny teny farany.


Ny fon’ny olona no maminavina ny hizorany; fa ny TOMPO kosa no mandavorary ny diany.


Ny TOMPO no mampahery ny olona eo amin’ny lalan-kalehany; fa ahoana moa no hahalalan’olombelona ny hombany?


Mieke Azy amin’izay rehetra alehanao, dia hatorony anao ny soritra harahinao.


TOMPO ô, toroanao lala-mahitsy ny olo-marina; ary tsy miolikolika ny lalana soritanao ho azy.


Fa nihantsy ny Tompon’ny lanitra ianao, raha nampaka ny tsatokaty voababo tao an-tempoliny ho eo anatrehanao; ka ny tenanao sy ny olo-manan-kajanao ary ireo vadinao mbamin’ny vaditsindranonao no nisotro divay taminy. Nankalazainao ireo andriamanitra volafotsy sy volamena, halimo sy vy ary vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mahalala akory, fa ilay Andriamanitra Izay mihazona ny ainao sy miahy ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra