Jeremia 1:18 - DIEM PROTESTANTA18 Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanànamimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda varahina raha mifanandrina amin’ny mponina rehetra eto amin’ny tany amin’ny mpanjakan’i Joda sy ireo mpitondra fanjakana sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin’ny tany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Indro, ianao dia hataoko ho toy ny tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanànamimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda varahina raha mifanandrina amin’ny mponina rehetra eto amin’ny tany amin’ny mpanjakan’i Joda sy ireo mpitondra fanjakana sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin’ny tany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika18 Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra, eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpanapaka eo aminy, eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimànda sy andry vy ary mànda varahina mba tsy ho leon’ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache18 Indro, ianao dia hataoko ho toy ny tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka. Jereo ny toko |
«Izay maharesy dia hataoko andry ao amin’ny tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ilay tanànan’Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra; ary hosoratako eo aminy koa ilay anarako vaovao.