Tamin’izay dia navoakan’i Jôiadà i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny raki-tsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka; ary nohosorany menaka izy hanokanana azy ho mpanjaka, koa dia nitehaka ny olona sy niantsoantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.
Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.
Nampiasa fanoharana Izy raha niteny tamin’ny olona; fa rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany, izay vao nohazavainy tamin’ireo mpianany ny zava-drehetra.
Fa ny olona tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy mahay mandray ny fanomezana ampitain’izany Fanahy izany; fa ataony ho fahadalana izany, sady tsy hainy fantarina velively, satria ny Fanahin’Andriamanitra ihany no ahafantarana izany.
Ary i Mosesy dia nahatoky tao amin’ny tranon’Andriamanitra manontolo, araka ny maha mpanompo azy, ka natao hanambara ny zavatra izay holazain’Andriamanitra amin’ny ho avy.
Dia hitako nisy horonamboky teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana; ka io horonamboky io dia voasoratra anatiny sy ivohony sady voaisy tombokase fito.
Dia hoy ny anankiray tamin’ireo loholona tamiko: –Aoka izay ny ranomasonao! Indro ny liona avy amin’ny fokon’i Joda, dia ilay solofon’i Davida mpanjaka, fa nahazo fandresena ka afaka hamaha ireo tombokase sy hanokatra ny horonamboky.