Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 7:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany, dia hilaozan’ny mponina ny tanin’ireo mpanjaka roa izay mampitahotra anao ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany dia ho lao ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany, dia hilaozan’ny mponina ny tanin’ireo mpanjaka roa izay mampitahotra anao ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Fa alohan’ny hahaizan’io zaza io mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara, dia ho rava ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany dia ho lao ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 7:16
12 Rohy Ifampitohizana  

Koa nihaino ny teniny ny mpanjakan’i Asiria, dia nanafika ny tanànan’i Damasy ka nahazo azy; ary nataony sesitany tany Kira ny mponina, fa novonoiny ho faty kosa i Retsina.


Toeramasina tsy azo zimbazimbaina ny Tompo, ka ho vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera Izy, ho an’ny fanjakana roa eto Israely; ary maro no hianjera eo ka ho lavo sy ho mongomongo. Ho harato sy fandrika ny Tompo ho an’ny mponina ao Jerosalema; ary maro no ho voafandrika eo ka tsy ho afa-mitsoaka.


Fa raha tsy mbola mahay miantso Dada sy Neny akory io zaza io, dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny haren’i Damasy sy ny remby voababo tao Samaria.


dia ny Sirianina teo anoloany ary ny Filistinina tao an-damosiny, ka nandrapaka an’i Israely indraim-bava. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Ary ianareo kosa horoahiko lavitra Ahy tahaka ny nandroahako ny olona rehetra mpiray firenena aminareo, dia ny taranaka rehetra tao Efraîma.»


Izaho dia mahalala an’i Efraîma, ary tsy takona amiko i Israely; satria ianao, ry Efraîma, efa tonga mpivarotena ankehitriny, ka voaloto noho izany i Israely.»


Ho tonga taniefitra i Efraîma amin’ny andro famaizana; zavatra tsy maintsy ho to no ambarako amin’ireo fokon’i Israely.


Koa Izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, dia ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahafantatra akory ny mahasoa azy, mbamin’ireo biby fiompy tsy tambo isaina?


Ny zanakareo nolazainareo fa ho babom-pahavalo, eny, ny zanakareo tsy mbola mahay manavaka izay tsara sy ratsy amin’izao andro izao, dia ireo no hiditra izany tany izany, ireo no homeko azy, ireo no hanana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra