Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 59:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Saingy ny helokareo no mampisy efitra manelanelana anareo amin’Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no manery Azy hanafin-tava, ho lavitra anareo ka tsy mahahaino anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Fa ny helokareo no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo ka tsy mihaino Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Saingy ny helokareo no mampisy efitra manelanelana anareo amin’Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no manery Azy hanafin-tava, ho lavitra anareo ka tsy mahahaino anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany tsy hihainoany anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, Ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 59:2
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny TOMPO manalavitra ny olon-dratsy, fa mihaino kosa ny vavaky ny olo-marina.


Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Ny fahadisoan’ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety. Noho Izaho tezitra no nikapohako azy sady tsy netezako hijery azy. Nefa nikomy hatrany izy ka nanaraka ny ditran’ny fony,


Indro sady mifady hanina ianareo no mbola miady sy mifanditra ihany ary mamely totohondry mahery vaika. Tsy ny fifadianareo hanina tahaka izany no handrenesako ny feonareo any amin’ny avo.


Ny helokareo no nanakorontana izany firindrana izany, ny fahadisoanareo no nisakana ny soa ho anareo.


Efa nanota dia nanota i Jerosalema, ka izany no mahatonga azy ho fako maharikoriko. Izay rehetra nanaja azy mamingavinga satria mahita azy mitanjaka. Na ny tenany aza dia misento sady lasa nihodina.


Ny Fanahiko no hatosako amin’ny Israelita, ka tsy hiafenako tava intsony ireo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.


Nanota ny Israelita ka nivadika tamin’ny fanekempihavanana nodidiako hotandremany; fa ny zavatra nasaiko nolevonina dia nakany sy nangalany ary nanafenany ka nataony tanaty entany.


Rehefa tafaverina tany amin’ny toby ireo sisa velona, dia hoy ny loholon’i Israely hoe: –Nahoana no navelan’ny TOMPO ho resin’ny Filistinina isika androany? Andeha halaina any Silao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO; fa rahefa mby eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra