Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 53:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Iza no nino ny fanambaràna natao taminay? Ary iza no nampisehoana ny herin’ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’NY TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Iza no nino ny fanambaràna natao taminay? Ary iza no nampisehoana ny herin’ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 «Iza no nino, izay renay, ary iza no nanehoana ny sandrin’i Iaveh?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’i Jehovah?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin'i Jehovah?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’NY TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 53:1
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia hiseho ny voninahitry ny TOMPO, ka hiara-mahita izany ny olona rehetra. Fa ny vavan’ny TOMPO mihitsy no efa niteny.»


Mifohaza ianao, TOMPO ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; mifohaza tahaka ny tamin’ny andro taloha, dia tamin’ny taranaka fahiny ela be. Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba, sy nanagorobaka ilay dragona?


Nahariharin’ny TOMPO teo imason’ny firenen-kafa rehetra ny hery maneho ny fahamasinany ka hahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.


Hitan’ny Tompo fa tsy nisy niraika akory, gaga Izy fa tsy nisy olona mpanelanelana; koa ny fahefàny ihany no nentiny hamonjy ary ny fahamarinany no nandrisika ny tenany.


Dia nataon’ny TOMPO izao fianianana izao: «Araka ny hery amam-pahefana feno ananako, dia mianiana aminao Aho, ry vahoakako, fa tsy hamela ny vary novolenao ho sakafon’ny fahavalonao intsony, ary tsy hamela ny divay nisasaranao hosotroin’ny vahiny intsony;


Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika.


Ary niteny tamin’i Petera i Jesoa nanao hoe: –Sambatra ianao, ry Simôna zanakalahin’i Jônà, satria tsy olombelona nofo aman-dra no nanambara izany taminao fa ny Raiko Izay any an-danitra.


Nalain’i Jesoa ho eo aminy kosa ny 12 lahy ka nilazany hoe: –Miakatra ho any Jerosalema àry izao isika, ka ho tanteraka avokoa izay voalazan’ny Soratra Masina tamin’ny alalan’ny mpaminany momba ny Zanak’olona.


Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra:


Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain’i Jôhany no hampino ny olona rehetra.


hany ka tanteraka ny tenin’i Isaià mpaminany hoe: «Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay? Ary iza no nampisehoana ny herin’ny Tompo?»


Eny, ny fitoriana momba an’i Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.


Kanefa ho an’izay voaantson’Andriamanitra, na Jiosy na hafa firenena, dia i Kristy no herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra