Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 44:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Fa ankehitriny kosa mihainoa, ry firenen’i Jakôba mpanompoko, ry vahoaka Israely izay nofidiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Mihainoa ankehitriny, ry Jakoba mpanompoko sy ry Israely izay nofidiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Fa ankehitriny kosa mihainoa, ry firenen’i Jakôba mpanompoko, ry vahoaka Israely izay nofidiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary ankehitriny, mihainoa, ry Jakôba mpanompoko sy ianao, ry Israely voafidiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, Sy ry Isiraely, izay nofidiko;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 44:1
22 Rohy Ifampitohizana  

Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.


ry taranak’i Abrahama mpanompony sady terak’i Jakôba voafidiny.


ho lovan’ny vahoaka Israely mpanompony; –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.


Ianao kosa, ry Israely mpanompoko, firenen’i Jakôba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako,


ianao izay nalaiko avy tany am-paran’ny tany sady nantsoiko avy amin’ny faritra lavitra indrindra, ianao no itenenako hoe: «Mpanompoko ianao; Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao.»


Iza aminareo no hanongilan-tsofina handre izao teny izao ka ho mailo hihaino azy amin’ny ho avy?


Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: «Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.


Ry firenen’i Jakôba, ry vahoaka Israely, aoka hotsarovanao izao: «Mpanompoko ianao! Izaho no namolavola anao hanompo Ahy. Tsy hohadinoiko ianao, ry vahoaka Israely!


Noho ny fitiavako ny firenen’i Jakôba mpanompoko sy ny vahoaka Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao; ary nomeko izany laza izany ianao, na dia tsy mahalala Ahy akory aza.


Hoy ny TOMPO hoe: «Ry firenen’i Jakôba, ry vahoaka Israely izay nantsoiko, henoy Aho: Izaho no Ilay tsy miova, Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.


Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:


«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.


Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.


«Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ianao izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo irahin’Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina eto aminao tahaka ny reniakoho manomba ny zanany eo ambany elany, kanefa tsy nety ianareo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra