Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 26:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Izy no nampietry ireo mpiteronterona sy nandrodana ny tanàna sarotra iakarana; eny, nampidaboka azy tamin’ny tany Izy ka nampitrosona azy tamin’ny vovoka

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Naetriny ny olona avo toerana; ny tanàna avo dia arodany; eny, arodany ho amin’ny tany ka ataony mihosom-bovoka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Izy no nampietry ireo mpiteronterona sy nandrodana ny tanàna sarotra iakarana; eny, nampidaboka azy tamin’ny tany Izy ka nampitrosona azy tamin’ny vovoka

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Manetry izay nonina any amin’ny havoana Izy; naniva ny tanàna miezinezina, naniva azy amin’ny tany, nataony mikasika ny vovoka Izy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin’ny tany Ka azerany ho amin’ny vovoka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa naetriny ny mponina avo toerana; Ny tanàna avo dia arodany, eny, arodany ho amin'ny tany ka :azerany ho amin'ny vovoka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Naetriny ny olona avo toerana; ny tanàna avo dia arodany; eny, arodany ho amin’ny tany ka ataony mihosom-bovoka.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 26:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Aza tsaroana hamelezana anay ny heloka vitan’ireo talohanay; fa aoka ny famindramponao no ho tonga haingana hitsena anay, satria voa mafy tokoa izahay!


Hoy ny Tompo hoe: «Hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly ny faharatsian’izao tontolo izao sy ny heloka vitan’ny olon-dratsy. Hatsahatro ny fireharehàn’ny mpiavonavona ary haetriko ny rehaky ny mpanao didy jadona.


Fa hoy ianao anakampo hoe: «Hiakatra any an-danitra any aho ka hametraka ny sezafiandrianako ho avo noho ny kintan’Andriamanitra; dia eo amin’ilay tendrombohitra fivoriana, izay any am-parany avaratra, no hipetrahako.


Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo:


Rava ilay tanàna feno zava-poana; mihidy ny trano rehetra ka tsy azo idirana.


Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna, noravanao tokoa ny tanàna mimanda; tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan’ny mpiavonavona sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.


Amin’izay kosa ho ripaka ny ala noho ny havandra ary harodana hilamaka tokoa ny tanàna.


Midîna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka, ry vahoaka mponin’i Babilôna, hoy ny TOMPO; mipetraha amin’ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «Babilôna tsara tarehy» na «Babilôna mirenty».


Ho tonga korontam-bato i Babilôna, ka ho fonenan’ny amboadia, ho toerana tsy misy mponina intsony fa mahonena sy mampivarahontsana.


sady ataovy hoe: «Tahaka an’izao no hilentehan’i Babilôna ka tsy hipoirany intsony noho ny loza hataon’ny Tompo mihatra aminy.» «Izany no isasaran’ireo firenena»: mifarana eto ny tenin’i Jeremià.


Naripaky ny Tompo tsy nisy indrafo avokoa ny fonenan’ireo taranak’i Jakôba. Noravany tam-pahavinirana ny tanànamimandan’i Joda. Nazerany amin’ny tany sy nalany baràka ny fanjakana sy ny mpitondrany.


Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny mponinao hovonoiny ho faty amin’ny sabatra ary ireo andrim-batonao hazerany amin’ny tany.


Ny hatsaran-tarehinao no nampiavonavona ny fonao, ary ny fahombiazanao mamirapiratra no nahasimba ny fahendrenao. Dia azerako amin’ny tany ianao ary atolotro hampitalanjona ireo mpanjaka.


Dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fieren’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona amam-biby maloto rehetra hàlan’ny olona!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra