Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 26:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ry TOMPO Andriamanitray ô, tompo maro no efa notompoinay talohanao; nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 TOMPO Andriamanitray ô, tsy Ianao ihany no efa nampanompo anay fa nisy tompo hafa koa; nefa Ianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ry TOMPO Andriamanitray ô, tompo maro no efa notompoinay talohanao; nefa ny anaranao ihany no satrinay hotsaroana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ry Iaveh Andriamanitray ô, nisy tompo hafa noho Ianao efa nanapaka anay koa; fa noho Ianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny Anaranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 26:13
15 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa hilefitra hanompo an’i Sisàka ihany izy ireo, mba hahafantarany fa tsy mitovy ny manompo Ahy sy ny manompo ireo mpanjakan’ny tany vahiny.


Koa tsy ho tahaka izay nataoko tamin’i Samaria sy tamin’ny andriamani-tsiizy notompoiny ve no hataoko koa amin’i Jerosalema sy ny sampiny?›


Amin’izany andro izany dia hiteny ianareo ka hanao hoe: «Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany, ambarao amin’ny vahoaka rehetra ny asany, ampahatsiarovy azy fa tsy hay takarina ny anarany.


Feno andriamani-tsiizy koa ny taniny; ary niankohoka amin’ny sampy natao tanana izy, dia ny zavatra nataon’ny tanan’olona.


Eny, lalana atoron’ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO ô. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.


Ny Tomponao, ilay TOMPO sady Andriamanitrao, dia mandaha-teny hiaro ny vahoakany ka milaza aminao hoe: «Indro hoesoriko eny an-tananao ilay tsatokaty misy fisotro mahafanina, dia tsatokaty feno ny fahatezerako, ka tsy hisotroanao izany intsony.


Hampahatsiaroviko ireo mari-pitiavan’ny TOMPO sy ireo antony tokony hiderantsika AZY, araka izay rehetra nataony tamintsika mbamin’ny soa be nafafiny ho an’ny taranak’Israely. Famindrampo sy fitiavana tsy hita lany no nanaovany an’izany ho azy.


Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny asa soa rehetra mba vitanay. Paohin’ny helokay izahay rehetra toy ny ravin-kazo maina paohin’ny tadio.


Ny tompo-manjo no haka ny faty, sy voatery hamoaka azy hiala ny trano, sady hiteny amin’izay anankiray sisa velona ao an-trano hoe: «Mbola misy ve miaraka aminao?» Ka hovaliany hoe: «Tsy misy intsony!» Ary hampiany hoe: «Mangina! Fa aza tonontononina ny anaran’ny TOMPO.»


Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.


sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no hanafaka anareo!


Ankehitriny anefa, natao afaka tamin’ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon’Andriamanitra; ka ny vokatra azonareo dia ny anananareo toetra masina ary fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny farany.


Iza moa no nanondrotra anao ho ambonin’ny sasany? Inona no anananao ka tsy noraisinao tamin’Andriamanitra? Ary raha nandray tamin’Andriamanitra ianao, nahoana no dia mirehareha hoatra ny tsy nandray?


Koa amin’ny alalan’i Jesoa aoka hatolotsika ho sorona ho an’Andriamanitra mandrakariva ny fideràntsika Azy, dia fiderana ventesin’ny molotr’ireo olona miaiky an’Andriamanitra ho Tompo.


Aza mifangaro amin’ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo; aza miantso ny anaran’andriamaniny na mampiasa izany hianianana; aza mivavaka aminy na miankohoka eo anatrehany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra