Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 21:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Fa izao no voalazan’ny Tompo tamiko: «Amin’ny herintaona toy izao anio izao, dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Fa izao no nolazain’NY TOMPO tamiko: Ato anatin’ny herintaona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Fa izao no voalazan’ny Tompo tamiko: «Amin’ny herintaona toy izao anio izao, dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Satria izao no nolazain’ny Tompo tamiko: «Herintaona, araka ny fanisana ny taonan’ny mpikarama, sisa dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Sedara; ary amin’ireo tsipìka maro an’ny lehilahy mahery, zanak’i Sedara, dia kely foana no sisa tavela, fa i Iaveh Andriamanitr’i Israely no efa niteny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: Ato anatin’ny herintaona, tahaka ny taonan’ny mpikarama, Dia ho levona avokoa ny voninahitr’i Kedara;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 21:16
11 Rohy Ifampitohizana  

Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’i Jismahela araka ny laharan’ny nahaterahany: i Nebaiôta sy i Kedara, i Adbeèla sy i Mibsàna,


Ireto avy no taranak’izy telo mianaka: I Nebaiôta no lahimatoan’i Jismahela, dia i Kedara sy i Abdeola, i Mibsama


Mafy tahaka ny asa fanompoana ny fiainan’ny olombelona eto an-tany; ary toy ny andron’ny mpikarama no mahamàzana ny androny.


Dirandoza aho fa vahinin’olon-dia, niantrano tany amin’ny baribarianina!


Ry tovovavin’i Jerosalema ô, zarazara hoditra aho nefa bikana; ny tarehiko dia mivalomainty toy ny lain’ireo mpifindrafindra lasy, nefa meva toy ny temitr’i Salômôna.


Fa ankehitriny dia hoy ny TOMPO hoe: «Raha afaka telo taona androany, na ny olo-mangan’i Môaba na ny sarambabem-bahoakany dia samy ho tsinontsinona. Izay sisa tavela aminy dia vitsy kely tsy misy lanjany akory.»


Aoka hanandra-peo ny tanàna any an-taniefitra sy ny any an-toby fonenan’ny Kedarita! Aoka hihoby ny mponina any amin’ny Harambato; avy any an-tampon-tendrombohitra any no aoka hanaovany hiram-pifaliana!


Hangonina ao aminao avokoa ny ondry aman’osin’ny Kedarita, ary haroso amin’ny fanompoam-pivavahanao ny ondrilahin’ny Nebaiôta; hakarina eo amin’ny alitara ireny ho sorona ankasitrahin’ny Tompo. Dia izany no hampamirapiratany an’ilay tempoly itoeran’ny famirapiratany.


Fa mba mandehana ange miampita any amin’ny nosy Kitima ka zahao, mba maniraha olona hanadihady any amin’ny Arabo ao Kedara, raha mahita toe-javatra tahaka izao any e!


Fanambaràna ny amin’ny Arabo ao Kedara sy ireo fanjakan’i Hatsôra izay resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Izao no lazain’ny Tompo: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an’i Kedara, Ravao avokoa izay rehetra an’ny olona any an-taniefitra.


I Arabia sy ireo mpitondra rehetra any Kedara dia nifanao varotra taminao. Zanak’ondry sy ondrilahy ary osilahy no natakalony ny entanao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra