Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 19:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Aiza ireo olon-kendrinao, ry Farao? Aoka izy hampahalala anao ary hampahafantatra anao izay notapahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba hamelezana an’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy ary aoka ho fantany izay nokasain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao, hatao amin’i Ejipta!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Aiza ireo olon-kendrinao, ry Farao? Aoka izy hampahalala anao ary hampahafantatra anao izay notapahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba hamelezana an’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Aiza moa izay olon-kendrinao? ka aoka hambarany aminao ary aoka hovinanîny izay nodidian’i Iavehn’ny tafika hanjò an’i Ejipta!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, Ary aoka ho fantany izay nokasain’i Jehovah, Tompon’ny maro, hatao amin’i Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amin'i Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 19:12
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia efa nanao fianianana hoe: «Izay noheveriko no ho tonga, izay notapahiko no hiseho.


Raha misy mihambo ho mitovy amiko, aoka izy hiteny sy handahatra momba izany! Hohazavainy amiko hoe iza, hatry ny fahagola, no nampandre ny zavatra tsy maintsy tonga; ary hambarany amintsika koa ny zavatra ho avy.


Lozan’ireo olona mihevi-tena ho hendry sy milaza azy ho marani-tsaina!


fa hamaly anareo kosa Aho hoe: «Nankaiza ireo andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo?» Aoka izy hamonjy anareo raha afaka manao izany amin’ny androm-pahorianareo! Fa maro tahaka ny isan’ny tanànanareo no isan’ny sampinareo, ry mponin’i Joda.


Amin’izany andro izany manko no hamongorako ireo olon-kendry ao Edôma sy ireo matsilo saina ao amin’ny tendrombohitr’i Hesao: teny hentitra avy amiko TOMPO izany!


Ao amin’ny Soratra Masina dia hoy Andriamanitra amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, hoe: «Izao no antony nanandratako anao ho mpanjaka, dia ny mba hanehoako ny heriko ao aminao ary mba hanambarana ny anarako eran’ny tany tontolo.»


Aiza ny olon-kendry? Aiza ny mpahay lalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy efa nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren’izao tontolo izao?


Dia namaly azy indray i Zebola hoe: –Aiza amin’izay ity vavanao nilaza taminay hoe: «Iza moa i Abimelèka no hotompointsika?» Ka tsy ireo ve ny tafika novingavingainao? Koa miaingà ianao ankehitriny hiady aminy!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra