Isaia 11:9 - DIEM PROTESTANTA9 Tsy hisy hanimba na handratra manerana ny tendrombohitra masina, satria ny fahalalana ny TOMPO no hanenika izany tany izany tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Tsy hisy handratra, ary tsy hisy hanimba manerana ny tendrombohitro masina; fa ho henika ny fahalalana NY TOMPO ny tany, tahaka ny anaronan’ny rano ny ranomasina. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Tsy hisy hanimba na handratra manerana ny tendrombohitra masina, satria ny fahalalana ny TOMPO no hanenika izany tany izany tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina. Jereo ny tokoBaiboly Katolika9 Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran’ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an’i Iaveh, toy ny fanambanin’ny ranomasina, feno ny rano manarona azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, Tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina. Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Tsy hisy handratra, ary tsy hisy hanimba manerana ny tendrombohitro masina; fa ho henika ny fahalalana NY TOMPO ny tany, tahaka ny anaronan’ny rano ny ranomasina. Jereo ny toko |
Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.
Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»