Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 11:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Hisy lalana ho an’ny sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, tahaka izay niseho fahiny tamin’i Israely fony izy niakatra avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Hisy lalana voavoatra halehan’ny olony sisa, izay ho sisa avy any Asiria, toy ny ho an’ny Israely tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Hisy lalana ho an’ny sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, tahaka izay niseho fahiny tamin’i Israely fony izy niakatra avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia hisy lalana halehan’ny vahoakany sisa, izay sisa mbola ho hita any amin’ny tany Asirianina, toy ny nisy halehan’i Israely, tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary hisy làlana voavoatra halehan’ny olony sisa, Izay sisa avy any Asyria, Dia toy ny ho an’ny Isiraely Tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 11:16
18 Rohy Ifampitohizana  

ary nita teo am-povoany nandia tany maina ny Israelita, fa nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany ny rano.


Raha tsy navelan’ny TOMPOn’izao rehetra izao hisy olona vitsivitsy velona aina tamintsika, dia ho efa tonga tahaka an’i Sôdôma sy ho nitovy tamin’i Gômôra isika.


Amin’izany andro izany, ireo sisa velona amin’i Israely na ireo sisa tavela amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’ireo namely azy intsony; fa ny TOMPO, ilay Masin’i Israely, no hiankinany marina tokoa.


Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


Amin’izany andro izany, dia hisy lalambe hampitohy an’i Ejipta sy i Asiria. Ny Asirianina hankany Ejipta, ary ny Ejiptianina hankany Asiria, ka hiara-manompo ny TOMPO izy roa tonta.


Amin’izany andro izany, dia hanakoako ny feon’ny anjomara lehibe; ka ho tonga avokoa ireo very tany Asiria na ireo tafaely tany Ejipta mba hiankohoka eo anatrehan’ny TOMPO ao an-tendrombohitra masina any Jerosalema.


Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana; ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra.


Indreny izy fa tonga avy any lavitra, ny sasany avy any avaratra, ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina, ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»


Moa tsy ianao no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ny hantsana lalimbe, ka nahatonga ny fanambanin’ny ranomasina ho lalana hiampitan’ny voaavotra?


Ny TOMPO efa niteny hoe: «Ataovy mitovy tantana ny lalana, ataovy mitovy tantana ny lalana ka sokafy, esory ny sakantsakana amin’ny lalan’ny vahoakako.»


Ry mponin’i Jerosalema, mivoaha tao an-tanàna, mivoaha amin’ny vavahady, anokafy lalana ny vahoaka mody, ataovy mitovy tantana ny arabe ka esory ny vato eo aminy ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.


Ny sisa velona amin’ny taranak’i Joda no hanana izany faritra izany; ao no hiandrasany biby fiompy, ary ny tranon’i Askelôna no hatoriany amin’ny hariva. Fa hanasoa azy ny TOMPO Andriamaniny ary hanome fanambinana azy indray.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra