Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 2:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany; eny, ny fotoam-piravoravoany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra; ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny lehibe rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, Dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, Eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany; eny, ny fotoam-piravoravoany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 2:13
44 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro i Ahazià mpanjakan’i Israely dia nianjera avy teny an-davarangan’ny efitrano ambony amin’ny lapany tao Samaria ka naratra mafy. Dia naniraka olona izy hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitry ny tanànan’i Hekrôna, raha toa ka ho sitrana amin’izao ratra nahazo azy izao na tsia.


Toy izany no namongoran’i Jehò tsy ho eo amin’i Israely intsony ny fivavahana amin’i Bahala.


Naorin’i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan’i Hezekià rainy; ka nanangana alitara ho an’i Bahala izy sady nanao tsatokazo fanajana an’i Aserà tahaka izay nataon’i Ahaba mpanjakan’i Israely; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.


Izay rehetra manadino an’Andriamanitra dia toy izany no anjara miandry azy; ho levona ny fanantenan’ny tsy mpivavaka.


Vetivety anefa dia hadinon’ireo razanay ny asa nataon’Andriamanitra ka tsy andriny akory ny fandaharany.


Hadinony Andriamanitra mpamonjy azy, Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta,


hadinon’ireo ny asa mahery nataony sy ny zava-mahagaga efa nasehony taminy.


Koa ankehitriny mandehàna, ento any amin’ny toerana izay natoroko anao io vahoaka io; indro ny anjeliko hiaraka aminao. Fa amin’ny andro iray hamaizako azy, dia hanafay azy aho noho ny helony.


Nohadinoinao, ry Israely, ilay Andriamanitra mpamonjy anao ary tsy notsarovanao ilay vatolampy fiarovanao; ka namboly zavatra faingam-paniry ho an’ny sampy ianao sy namafy masomboly ho an’ny andriamani-tsiizy.


ka indray hatsingeriko aminy, hoy Aho, ny heloka vitany sy ny heloky ny razany. Satria ireto koa efa nandoro zava-manitra mifangaro ho an’ny sampy teny an-tendrombohitra sy nihantsy Ahy teny amin’ny havoana; ka dia ho fatra mitafotafo mihitsy no hasetriko ny fitondrantenany fahiny!


Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»


Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy, ka nandoro zava-manitra mifangaro tamin’ireo sampy tsinontsinona izay nandavo azy teny an-dalany mba hialany amin’ny lalana mahazatra ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kely izay mbola tsy voasoritra akory.


Moa manadino ny firàvany ve ny virijiny? sa manadino ny etrany voarandrana ve ny ampakarina? Tsia, nefa ianareo vahoakako efa nanadino Ahy hatramin’ny andro maro tsy voaisa.


Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny amin’ireo mpiandry ratsy ireo: «Navelanareo hihahaka sy naparitakareo ny ondriko fa tsy nokarakarainareo. Koa indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely anareo noho ny asa ratsinareo! Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Ary eny an-tanàn-dehiben’i Joda sy eny an-dalamben’i Jerosalema dia hatsahatro ny kotabam-pifaliana amin’ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran’ireo mpanambady satria ho lao ny tany.


Hay ve ianareo mangalatra sy mamono olona, mijangajanga sy mianiana lainga, mandoro vovo-javamanitra ho an’i Bahala ary mifikitra amin’ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrareo akory?


Misaona ny lalana mankany Tsiôna satria tsy misy miakatra amin’ny fety. Mangina avokoa ny kianjany ary sentom-pahakiviana no ataon’ny mpisorony. Ory fatratra ireo tovovaviny, ka mangidy amin’i Tsiôna izany!


Ny loholona nitsaha-nanao antenimiera; ary ny zatovo nitsaha-nitendry valiha.


nametahako kavina ny oronao sy ny sofinao sady nasiako satroboninahitra tsara tarehy ny lohanao.


Nalainao ny firavaka volamena sy volafotsy izay nomeko anao ka nampiasainao hanamboarana sampy miendri-dehilahy, dia nanaram-po nijangajanga taminy ianao.


Ao aminao misy manaiky hotambazam-bola mba hamono olona, misy mampindram-bola hakana zanany tafahoatra sy mangoron-karena tamin’ny fandrobana ny namany, ka manadino Ahy mihitsy. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nanadino Ahy ianao ka niodina tamiko, dia hizaka ny vokatry ny filibàna amam-pijangajanganao›. »


Nefa arakaraka ny niantsoako azy no vao mainka nanalavirany Ahy. Nanatitra sorona ho an’i Bahala izy ary nandoro vovo-javamanitra ho an’ny sampy.


Rehefa niteny i Efraîma, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an’i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.


Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.


Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.


Eny, efa nivaro-tena ny reniny; ilay torontoronina azy ireo efa lany henatra rehefa nanao hoe: «Hanaraka ireo lehilahy sakaizako aho, dia ny mpanome mofo sy rano ahy ary koa volon’ondry sy kiran-drongony mbamin’ny menaka sy zava-pisotro.»


Mihinana ny sorona aterina amin-tsampy eny an-tampon-tendrombohitra izy, ary mandoro ditin-kazo manitra eny amin’ny havoana, dia eny ambanin’ny hazo ôaka, sy ny hazo be ravina ary ny terebinta satria tsara alokaloka ireny Koa izany no mahatonga ny zanakavavinareo hivaro-tena sy ny vinantovavinareo hanitsakitsa-bady.


Ho ringana ny vahoakako noho ny tsifisian’ny fahalalana Ahy. Satria efa nandà ny fahalalana Ahy ianao, ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony. Nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.


«Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.


Tonga ny andro famaizana. Tonga ny andro famaliana. Ho fantatr’i Israely anie izany! Hoy ianareo hoe: «Adala ny mpaminany; ary mirediredy ny tsindriam-panahy.» Vokatry ny hamaroan’ny helokao sy ny fanohera-mafy nataonao izany.


havadiko ho fisaonana ny fetinareo ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo; hosikinako lamba gony ianareo rehetra sady hosolako loha ka hataoko tahaka ny olona misaona zanaka lahitokana; ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy no fiafaran’izany.»


«Tsy raharahainao, ry Israely, ilay Vatolampy niteraka anao; hadinonao ilay Andriamanitra nahitanao masoandro.»


Amin’izay, dia tandremonareo fandrao hadinoinareo ny TOMPO Izay nampiala anareo tany Ejipta, toera-nanandevozana anareo.


Ary mbola nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarôta andriamani-tsiizy, mbamin’ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidônianina na ny andriamanitry Môabita sy ny Hamônita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ka nanompo ireo Bahala sy ireo Aserà.


Nefa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ny razanareo, koa izany no namelany an’i Siserà, jeneralin’ny tafik’i Hatsôra sy namelany ny Filistinina ary ny mpanjakan’i Môaba hiady aminy ka handresy azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra