Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 14:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›; fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Tsy hamonjy anay i Asiria, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony hoe: Ry andriamanitray ô! Fa ao Aminao no ahitan’ny kamboty famindrampo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›; fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Asyria tsy hamonjy anay, Tsy hitaingin-tsoavaly izahay Sady tsy hiteny amin’ny asan’ny tanànay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan’ny kamboty famindrampo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Tsy hamonjy anay i Asiria, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony hoe: Ry andriamanitray ô! Fa ao Aminao no ahitan’ny kamboty famindrampo.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 14:4
30 Rohy Ifampitohizana  

Hitanao fa mijaly sy ory ny mahantra, ka mivonon-kanampy azy hatrany Ianao; Ianao no itokian’ny malemy, sady mamonjy ny kamboty.


Ny an’ny sasany, ny kalesiny no itokiany; ny an’ny hafa, ny soavaliny no iankinany; ny anay kosa, ny anaran’ny TOMPO Andriamanitray no hany hery ianteheranay.


Be indrafo anefa Andriamanitra ka namela ny hadisoany ary tsy nandringana azy; nahatsindry hatezerana Izy ary nampitony fahavinirana.


Hoy Izy taminy: «Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.»


Amin’izany andro izany, ry olona voaavotra, dia hiteny ianao ka hanao hoe: «Midera Anao aho, TOMPO ô; fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao ka nampionona ahy Ianao.


He! Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano omeko! Na dia tsy manam-bola aza ianareo, avia maka sakafo, dia mihinàna fa tsy ialam-bola izany; avia maka divay na ronono, fa tsy vidina izany.


ary hitako ny fitondrantenany. Saingy izao no lazaiko: Hanasitrana ny vahoakako Aho, ka hitari-dalana sy hampahery azy. Ary ho an’ireo olony misaona kosa,


TOMPO ô, miampanga anay ny fahadisoanay; nefa miasà Ianao ho voninahitry ny anaranao. Niodina taminao matetika izahay; taminao no nanotanay.


TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany.


Miverena amiko, ry zaza mpiodina, fa hositraniko amin’ny fiodinanareo ianareo! Indreto izahay manatona Anao, satria Ianao no TOMPO Andriamanitray.


I Efraîma no zanakalahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.


«Kanefa indro Aho hitsabo an’i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin’ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana.


Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.


Moa tsy misy balisama mampitony na dokotera ve any Gilehada? Nahoana no tsy mety sitrana ny ratran’ny fireneko?


Ohatra kosa misy olon-dratsy iray nilazako fa hahafaty azy tokoa ny afitsony. Raha miala amin’ny fahotany izy ka manao ny rariny sy ny hitsiny, dia tsy ho faty izy.


Amin’izay dia hoeken’ireo firenena sisa tavela manodidina anareo, fa Izaho TOMPO no manorina indray ny tanàna rava sy mamboly indray ny tany lavavolo. Izaho TOMPO no miteny sady hahatanteraka izany.›


Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.


Tsy havelako hotononiny ny anaran’ireo Bahala ka tsy hotsaroana mbamin’ny anarany.


Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.


Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao; mahery Izy ka hampandresy anao. Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy; ny fitiavany no anavaozany anao; noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy


–I Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara sady zafikelin’i Aharôna mpisorona, no nampiala ny fahatezerako tamin’ny Israelita satria niseho ho saro-piaro momba Ahy teo anivon’izy ireo; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Israelita, na dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy aza Aho.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Alao ny filohan’ny vahoaka; dia eo anoloako no anantony azy manatrika ny masoandro, mba hampitony ny fahatezerako mirehitra aminareo Israelita.


Kanefa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia nekeny maimaimpoana ho marina izy ireo tamin’ny alalan’ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.


Hiderantsika an’Andriamanitra anie ny fahasoavana mamirapiratra izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin’ilay Zanany malalany.


Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika ho vahoakany, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny fandaharan’ny tenany ihany ary noho ny fahasoavany. Efa nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa izany fahasoavana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;


Fa nony efa naneho ny hamoram-pony sy ny fitiavany olona ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra