Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 14:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Hozakain’ny mponin’i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho faty an’ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohòka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Hovaliana i Samaria noho ny helony satria nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika dia hotorotoroina ary ny kibon’ny bevohoka eo aminy dia hotatahana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hozakain’ny mponin’i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho faty an’ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohòka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Hofaizina i Samaria, fa niodina tamin’ny Andriamaniny; ho lavon-tsabatra izy ireo! hotorotoroina ny zanany madinika; ary hotatahana ny kibon’ireo vadiny bevohoka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin’Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, Ny zanany madinika hotorotoroina, Ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Hovaliana i Samaria noho ny helony satria nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika dia hotorotoroina ary ny kibon’ny bevohoka eo aminy dia hotatahana.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 14:1
26 Rohy Ifampitohizana  

Fa nanontany azy i Hazaela hoe: –Nahoana ianao no mitomany, tompoko? Ka hoy ny navalin’i Elisà: –Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin’ny Israelita: hodoranao ny tanànamimandany; hovonoinao ho faty amin’ny sabatra ny tanorany, homontsaninao ny ankizikeliny, ary hotatahinao kibo ny vehivavy bevohòka eo aminy.


Rehefa avy namely ny Ejiptianina ny TOMPO, dia hanasitrana azy: ary izy ireo mihitsy no hiverina amin’ny TOMPO ka hoekeny vavaka sady hositraniny.


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Raha hiverina ianao, ry Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia mahazo miverina amiko. Raha esorinao tsy ho hitan’ny masoko ireo sampinao maharikoriko, dia tsy hirenireny intsony ianao.


Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay; idiran-doza izahay satria efa nanota!


I Samaria any avaratra mbamin’ireo zana-bohiny no zokinao vavy, ary i Sôdôma ao atsimo mbamin’ireo zana-bohiny no zandrinao vavy.


Ambarao aminy hoe: Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan’ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?


Ohatra kosa misy olon-dratsy iray nilazako fa hahafaty azy tokoa ny afitsony. Raha miala amin’ny fahotany izy ka manao ny rariny sy ny hitsiny, dia tsy ho faty izy.


Mamafaza fahamarinana, dia hijinja fitiavana ianareo. Miasà tany vaovao fa izao no fotoana hitadiavana ny TOMPO, mandra-piaviny handatsaka aminareo ny famonjena.


Teo ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,


Mizana mandainga tahaka ny an’ny Kanahanita no hazoninao, ry Efraîma; ka tia manambaka ianao


Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.


Ny sorona ataon’ny vahoakako ho fanalana ny fahotana no hanina ivelomany; ka satriny ihany ho diso ireny.


Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraîma ka lavo miaraka aminy koa i Joda.


Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.


I Efraîma, araka ny hitako, dia manao ny zanany ho toy ny fihaza ka mamela azy hisehatra ny mpamono azy ho faty.»


Tonga ny andro famaizana. Tonga ny andro famaliana. Ho fantatr’i Israely anie izany! Hoy ianareo hoe: «Adala ny mpaminany; ary mirediredy ny tsindriam-panahy.» Vokatry ny hamaroan’ny helokao sy ny fanohera-mafy nataonao izany.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny Hamônita, fa indrindra ity anankiray ity: Notatahany ny kibon’ireo bevohòka tao Gilehada mba hanitarana faritany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra