Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 47:6 - DIEM PROTESTANTA

6 ary ny tany Ejipta manontolo dia eo anatrehanao; koa izay faritra tsara indrindra no amponeno azy. Mahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena izy; ary raha fantatrao fa misy olo-mahay amin’izy ireo, dia tendreo ho lehiben’ny fiandrasana ny andiam-biby fiompiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Eo anoloanao ny tany Ejipta; koa amin’izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao. Aoka honina ao amin’ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy dia tendreo izy ho lehiben’ny mpiandry ny omby aman’ondriko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 ary ny tany Ejipta manontolo dia eo anatrehanao; koa izay faritra tsara indrindra no amponeno azy. Mahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena izy; ary raha fantatrao fa misy olo-mahay amin’izy ireo, dia tendreo ho lehiben’ny fiandrasana ny andiam-biby fiompiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Aoka honina amin’ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin’izy ireo ianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin’izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin’ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben’ny mpiandry ny omby aman-ondriko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman'ondriko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Eo anoloanao ny tany Ejipta; koa amin’izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao. Aoka honina ao amin’ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy dia tendreo izy ho lehiben’ny mpiandry ny omby aman’ondriko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 47:6
24 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitazana i Lôta ka nahatsinjo ny faritanin’i Jôrdàna manontolo. Talohan’ny nandravan’ny TOMPO an’i Sôdôma sy i Gômôra, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsôhara dia tahaka ny zaridainan’ny TOMPO, tahaka ny lohasahan’i Neily.


Moa tsy eo anatrehanao ve ny faritra manontolo? Koa aoka hisaraka eto isika. Fa raha hianavaratra ianao, dia hianatsimo aho; ary raha hianatsimo kosa ianao, izaho hianavaratra.


Ary hoy i Abimelèka tamin’i Abrahama: –Indro mivoha ho anao ny taniko, koa mipetraha amin’izay mahafinaritra ny masonao.


Hiara-monina aminay ianareo, ka hanjary ho anareo ny faritany eo anoloanareo; koa mitoera sy mivarota, ary manàna zaratany eto.


Hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianao mbamin’ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman’osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho etỳ akaikiko ianao amin’izay.


dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin’ny fahazazànay ka mandraka izao. Amin’izay dia hahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.


Tao amin’ny faritra tsara indrindra tany Ejipta, tao amin’ny faritra manodidina an’i Ramsesa, no napetrak’i Jôsefa ny rainy sy ireo rahalahiny, araka ny baikon’ny Farao, ary nomeny zaratany.


Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo.


Namely mafy ny mosary tao amin’ny tany Kanahàna, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an’ny ondry aman’osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin’ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena.


Dia hoy ny Farao tamin’i Jôsefa: –Tonga atỳ aminao ny rainao sy ny rahalahinao,


dia tovolahy mahay sady mahavita tsara ny asany i Jerôbohama; koa nony hitan’i Salômôna izany, dia nataony mpifehy ireo mpiasan’ny fokon’i Efraîma sy i Manase izy.


Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.


Fa ny amin’ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin’ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an’Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


nifidy lehilahy be herimpo teo amin’ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.


Dia nalain’i Mosesy sy Aharôna ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan’ny Farao. Natsipin’i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby fiompy.


Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin’ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.


Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.


Jereo io olona manao tsara ny asany io: ho afa-miasa eo anatrehan’ny mpanjaka izy toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.


Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»


Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny olombelona rehetra, dia omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezany aina maharitra mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.


Dia ny mofo masina tokoa no nanomezan’ny mpisorona ho an’i Davida, satria tsy nisy mofo hafa. Ireo mofo masina ireo dia mofo natolotra tamin’ny TOMPO ary avy eo dia nesorina tao amin’ny Toeramasina mba hosoloana mofo mafana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra