Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 42:36 - DIEM PROTESTANTA

36 Ka hoy i Jakôba rainy taminy: –Tianareo tsy hanan-janaka ve aho? I Jôsefa efa tsy eo, i Simehôna koa efa tsy eo, ary izao dia halainareo amiko indray i Benjamîna! Izaho no ianjadian’izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Dia hoy i Jakoba rainy tamin’izy ireo: Tsy hanan-janaka intsony aho izany aminareo! I Josefa dia tsy eto intsony, i Simeona koa dia tsy eto intsony ary i Benjamina indray dia halainareo! Izaho ihany no ianjadian’izany rehetra izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Ka hoy i Jakôba rainy taminy: –Tianareo tsy hanan-janaka ve aho? I Jôsefa efa tsy eo, i Simehôna koa efa tsy eo, ary izao dia halainareo amiko indray i Benjamîna! Izaho no ianjadian’izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

36 Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin’izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany,

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 42:36
21 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Reobena tamin-drainy: –Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy tongako eto aminao indray i Benjamîna; fa atolory ahy izy, dia izaho no hamerina azy eto aminao!


Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an’i Benjamîna sy i Simehôna hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy hombàn-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.


Nosavain-dralehilahy avokoa ny kitapo rehetra nanomboka tamin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra, ka tao amin’ny kitapon’i Benjamîna no nahitana ilay tsangambava.


ka nanao hoe: –Aoka izay fa mbola velona any tokoa i Jôsefa zanako! Handeha aho ka hahita azy indray alohan’ny hahafatesako.


Novatsîn’i Jôsefa hanina ny rainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan’ny vava mihinana.


Mba tsarovy, Andriamanitra ô, fa tsio-drivotra miserana ny aiko; tsy hahita fahasambarana intsony ny masoko.


Fa akaikin’ny torotoro fo IZY sady mamonjy ny rera-tsaina.


Aleo ny mamarana asa toy izay ny manomboka azy; aleo olona mahari-po toy izay ny miavonavona.


Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.


Hoy aho anakampo hoe: Amin’izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy hahalasanako! Eo am-baravaran’ny fonenan’ny maty no hamaranako ny taonako sisa rehetra.


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»


Avy hatrany i Jesoa dia nanatsotra tanana ka nandray an’i Petera ary nanao taminy hoe: –Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?


Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo.


Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?


Tsy nisy fakampanahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan’ny herinareo. Rehefa ianjadian’ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo.


satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay,


Hoy i Davida anakampo: «Ho fatin’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any. Koa ny tsara indrindra amiko dia tsy misy afa-tsy ny mandositra any amin’ny tanin’ny Filistinina. Hatsahatr’i Saoly ny fitadiavany ahy manerana ny faritanin’i Israely, ka dia ho afa-doza aminy aho.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra