Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 4:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: –Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary niteny tamin’i Abela rahalahiny i Kaina hoe: Andeha isika ho any an-tsaha. Nony tany an-tsaha izy mirahalahy dia nitsangana nanatona an’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: –Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: «Andeha isika ho any an-tsaha.» Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary Kaina niteny tamin’i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’i Abela rahalahiny ka namono azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an'i Abela rahalahiny, ka namono azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary niteny tamin’i Abela rahalahiny i Kaina hoe: Andeha isika ho any an-tsaha. Nony tany an-tsaha izy mirahalahy dia nitsangana nanatona an’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 4:8
23 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Adama sy ny vadiny dia mbola nanan-janaka iray hafa koa, ka ny anarany dia nataon’i Eva hoe Seta, satria hoy izy hoe: –Nomen’Andriamanitra zanakalahy hafa indray aho ity ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina ho faty.


Nanan-janaka roa lahy aho; niady tany an-tsaha izy ireo ka maty ilay iray satria tsy nisy nampisaraka.


Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.


Raha vao nandray an-tanana ny fanjakàn-drainy i Jôrama, dia nanamafy ny fahefàny ka namono nahafaty tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra sy ny mpitondra sasany teo amin’i Israely.


Koa nandefa iraka hankatỳ amiko i Sanebalato sy i Gesema hilaza hoe: –Tongava mba hihaona ao Kefirîma amin’ny tany lemak’i Onao isika! Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.


Koa tsy hanan-tsiny ianao sady hitraka, tsy misy hampihozongozona sy hampahatahotra anao.


Andriamanitra ô, haringanao mihitsy anie ny olon-dratsy ary hohalavirinao ahy anie ny mpamono olona!


Mandoka tena loatra izy, ka tsy miaiky hadisoana na mankahala izany.


Ny olona nihavanany, aninjirany tanana; ny fifanekena nataony, ivadihany.


Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.


Fa ny zanakalahy maniratsira ny rainy, ny zanakavavy manohitra ny reniny, ny vinantovavy manohitra ny rafozam-baviny, ary ny ankohonan’ny olona ihany no fahavalony.


Raha fankahalana no nandonana olona na koa lolom-po no nitorahana azy ka nahafaty azy,


Koa hitambesatra aminareo ny ratsy natao tamin’ny olo-marina rehetra nalatsa-dra teto amin’ity tany ity, nanomboka tamin’i Abela olo-marina ka niafara tamin’i Zakarià zanakalahin’i Barakià, ilay novonoinareo teo anelanelan’ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana.


nanomboka tamin’i Abela ka niafara tamin’i Zakarià ilay novonoina teo anelanelan’ny alitara fisoronana sy ny Toeramasina. Eny, hoy Aho aminareo, hanadinan’Andriamanitra ny olona ankehitriny avokoa izany.


Fa hoy i Jesoa taminy: –O! ry Jodasy, dia fanorohana ve no anoloranao ny Zanak’olona?


Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona tsara noho ny an’i Kaina. Izany finoany izany no vavolombelona niantoka fa marina i Abela, satria nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho ny finoany, dia mbola miteny ihany i Abela na dia efa maty aza.


Ny efa nohatoninareo dia i Jesoa, mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana Vaovao, ary koa ny rany nafafy izay miteny tsara lavitra noho ny ran’i Abela.


Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra