Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 38:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Ary raha iny mbola navoaka ny trano iny ilay ramatoa, dia nampaniraka ho any amin’ny rafozan-dahiny izy hilaza hoe: –Izay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nahabevohòka ahy. Koa fantaro izay tompon’ireto fitombokase sy tady ary tehina ireto?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Rehefa naseho izy dia nandefa iraka tany amin’ny rafozany hiteny hoe: Ny lehilahy izay tompon’ireto no nananako anaka. Ary hoy koa izy: Miangavy anao aho, fantaro izay tompon’ity fitombo-kase sy ny kofehiny ary ity tehina ity!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Ary raha iny mbola navoaka ny trano iny ilay ramatoa, dia nampaniraka ho any amin’ny rafozan-dahiny izy hilaza hoe: –Izay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nahabevohòka ahy. Koa fantaro izay tompon’ireto fitombokase sy tady ary tehina ireto?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Nony navoaka anefa ravehivavy, dia naniraka hilaza amin-drafozany hoe: «Izay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nananako anaka. Ka zahao tsara, hoy izy, izay tompon’ity peratra sy ity kofehy ary ity tehina ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin’ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon’ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna hianao, fantaro izay tompon’ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 38:25
7 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nalefany tany amin’ny rainy iny niaraka amin’ny hafatra hoe: «Inty no hitanay, ka fantaro raha akanjon-janakao ity na tsia.»


Ary hoy i Joda hoe: –Inona àry no antoka homeko anao? Dia novaliany hoe: –Ny tombokasenao sy ny tadiny ary iny tehinao eny an-tananao iny. Dia nomen’i Joda azy tokoa ireny, ka nandeha nandry tamin’i Tamara izy; ary nitoe-jaza ravehivavy.


Izany ve no ataonareo ka dia hangina Aho sa heverinareo Aho fa mitovy aminareo? Horeseko lahatra mihitsy ianareo ary ny toetranareo hasehoko eo imasonareo!


Indray andro any anefa ianareo, ry mponin’i Israely na ianareo sarambabem-bahoaka, na ianareo mpanjaka sy mpitondra, na ianareo mpisorona sy mpaminany, dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.


Araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, dia izany no ho hita amin’ilay andro hitsaran’Andriamanitra ny toetra miafin’ny olona tsirairay avy, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Noho izany, aza mitsara olona alohan’ny fotoana, dia mandra-piavin’ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin’ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon’ny olombelona. Ka amin’izay dia samy homen’Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.


Ary hitako ny maty rehetra, na ny lehibe na ny kely, tafajoro teo anoloan’io sezafiandrianana io. Dia nisy horonamboky maro novelarina; ary nisy horonamboky iray hafa koa novelarina, dia ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ka tamin’ny zavatra voasoratra tao anatin’ireo horonamboky ireo no nitsarana ny maty rehetra, araka ny asany avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra