Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 38:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Avy teo dia niainga i Tamara, ka nandeha nody; nesoriny ny fisalobonana, dia nanaovany indray ny fitafiana maha mpitondratena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary niainga Ravehivavy ka lasa nandeha dia nanala ny fisalobonana izay nitafiany ka niakanjo ny akanjo fanaon’ny mpitondratena indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Avy teo dia niainga i Tamara, ka nandeha nody; nesoriny ny fisalobonana, dia nanaovany indray ny fitafiana maha mpitondratena azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Vao niainga teo ravehivavy dia lasa, nesoriny ny voaliny, ary niakanjoany indray ny akanjony fitondran’ny mpitondratena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon’ny mpitondratena indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 38:19
5 Rohy Ifampitohizana  

dia nanaisotra ireo fitafiany maha mpitondratena azy ravehivavy ka nisarona fisalobonana tsy hamantarana azy, ary nandeha nipetraka teo am-bavahadin’i Henaîma, amin’ny lalana mankany Timnà. Hitan’i Tamara manko fa efa lehibe i Selà, kanefa tsy nomena ho vadiny.


Ary hoy i Joda hoe: –Inona àry no antoka homeko anao? Dia novaliany hoe: –Ny tombokasenao sy ny tadiny ary iny tehinao eny an-tananao iny. Dia nomen’i Joda azy tokoa ireny, ka nandeha nandry tamin’i Tamara izy; ary nitoe-jaza ravehivavy.


Nirahin’i Joda ilay Hadolamita sakaizany mba hitondra ny zanak’osy ho any amin’ilay ramatoa sady haka ny tombokase; kanefa tsy nahita azy ralehilahy,


Nampiantso vehivavy fetsy iray avy any Tekôa i Jôaba ka nilazany hoe: –Manaova sari-misaona ianao ka mitafia akanjo fisaonana; aza mihosotra ilomanitra, fa manaova toy ny vehivavy efa ela nisaonana olona maty iray.


Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Fa maninona ianao? Ka novaliany hoe: –Indrisy mpitondratena aho fa maty ny vadiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra