Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 33:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Namaly kosa i Jakôba hoe: –Fantatrao, tompokolahy, fa marefo ny zaza, ary ondry aman’omby ampianahany no miaraka amiko; koa raha hododosana indray andro monja ireo biby ireo, dia ho faty avokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Hoy anefa i Jakoba taminy: Fantatrao, tompokolahy, fa mbola osa ny zaza sady mbola mampinono ny ondry aman’osy sy ny omby ato amiko; koa raha hoterena handeha mandritra ny indray andro ihany izy ireo dia ho faty avokoa ny ondry aman’osy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Namaly kosa i Jakôba hoe: –Fantatrao, tompokolahy, fa marefo ny zaza, ary ondry aman’omby ampianahany no miaraka amiko; koa raha hododosana indray andro monja ireo biby ireo, dia ho faty avokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Hoy ny navalin’i Jakôba: «Fantatry ny tompoko, fa ny ankizy mbola malemilemy; sady betsaka ny ondry aman’omby vavy mbola mitaiza entiko koa; raha korodonina indray andro monja ireo, dia ho levona ny biby fiompy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr’itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman-osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman-osy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman'osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman'osy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 33:13
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Hesao hoe: –Ahorony ny entana, dia andeha isika hanainga fa hiaraka aminao aho.


Koa mandehana mialoha, tompokolahy, fa izaho mpanomponao hanaraka miadana ny dian’ny biby fiompy sy ny zaza mandra-pahatonganay any aminao any Sehira.


Fa hoy izy anakampony: «I Salômôna zanako mbola kely sady tanora fanahy, ary ny tempoly haorina ho an’ny TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe tokoa mba hielezan’ny lazany sy ny voninahiny any amin’ny tany rehetra; koa hovononiko rahateo ny zavatra hoenti-manao azy.» Dia nahavonona betsaka tokoa i Davida fahavelony.


teo am-piandrasana reniondry mampinono izy no nampanalainy mba hiandry ny olony, dia ireo taranak’i Jakôba na ny vahoaka Israely izay efa voatokana ho fananany.


Ny olo-marina mahalala mitsimbina ny bibiny; fa ny olon-dratsy kosa masiaka hatramin’ny atiny.


Tahaka ny mpiandry ondry miandry ny andian’ondriny Izy ka manangona ireny amin’ny baikon-tanany; trotroiny eo an-tratrany ny zanak’ondry ary roahiny miadana ny ampianahany.»


Dia araka izany no nataon’ny Filistinina. Naka ombivavy roa mitaiza izy, dia norohizany tamin’ny sarety; ary ny zanany nohidiany tao am-bala.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra