Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 30:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary rehefa hitan’i Rahely fa tsy niteraka izy, dia nialonany ny rahavaviny ka hoy izy tamin’i Jakôba hoe: –Mba omeo zanaka aho! Fa raha tsy izany, dia aleoko maty!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Rehefa hitan’i Rahely fa tsy mba niteraka tamin’i Jakoba izy dia nialona ny rahavaviny izy ka hoy izy tamin’i Jakoba: Mba omeo zaza aho fa raha tsy izany dia ho faty!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary rehefa hitan’i Rahely fa tsy niteraka izy, dia nialonany ny rahavaviny ka hoy izy tamin’i Jakôba hoe: –Mba omeo zanaka aho! Fa raha tsy izany, dia aleoko maty!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nony hitan-dRasela fa tsy mba niteraka tamin’i Jakôba izy, dia nialona ny rahavaviny izy sady nanao tamin’i Jakôba hoe: «Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany maty aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin’i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin’i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Rehefa hitan’i Rahely fa tsy mba niteraka tamin’i Jakoba izy dia nialona ny rahavaviny izy ka hoy izy tamin’i Jakoba: Mba omeo zaza aho fa raha tsy izany dia ho faty!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 30:1
26 Rohy Ifampitohizana  

Ary rehefa hitan’ny TOMPO fa tsy tiana noho i Rahely i Leà, dia nataony mitoe-jaza izy; fa i Rahely kosa nataony momba.


Dia nialona an’i Jôsefa ireo rahalahiny, fa ny rainy kosa nandinika izany nofy izany.


Fa izy kosa nandeha lalana indray andro hankany an-taniefitra; ka rehefa tonga tany izy, dia nipetraka teo ambanin’ny hazo kely midoroboka iray. Ary nangataka ho faty izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny fa tsy tsara noho ny razako aho.


Moa misy te hifanandrina amiko ny amin’izany? Fa hangina sy ho faty aho, raha toa ka diso.


Nahoana aho no tsy maty hatrany am-bohòka, na tsy niala aina fony vao nivoaka avy tany an-kibo?


Fa ho voakikin’ny fahasosorany ny adala; ary ho fatin’ny fahatezerany ny ketrina.


Tao an-toby kosa dia nisy nialona i Mosesy sy i Aharôna ilay voatokana ho an’ny TOMPO.


Ny fiadanam-po dia mamelombelona ny vatana; fa ny fialonana kosa dia tahaka ny homamiadana.


Hitako fa matoa ny olona misasatra sy milofo amin’ny asany dia ny hahomby kokoa noho ireo namany. Nefa mbola zava-poana manenji-drivotra koa izany.


Raha toy izany no hanaovanao ahy, dia vonoy mihitsy aho ho faty. Izany ahay no hanehoanao hatsarampo amiko; fa aza avela hahita ny fahoriako intsony aho.


Fa hoy i Mosesy taminy: –Moa mialona azy noho ny amiko ve ianao? Enga anie homen’ny TOMPO ny Fanahiny avokoa ny vahoakany rehetra ka ho tonga mpaminany!


dia niala tao Jodea Izy ary lasa nankany Galilea indray,


Fa ireo mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy sakafo.


noho ianareo mbola fehezin’ny maha olombelona. Matoa fialonana sy adiady no mahazo laka eo aminareo, tsy miharihary ve fa fehezin’ny maha olombelona ianareo ka mitondra tena araka ny filamatr’olombelona?


Satria ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mahatonga hiala amin’ny toe-dratsy, mba hiroso amin’ny famonjena tsy anenenana; fa ny alahelon’izao tontolo izao kosa dia mahatonga fahafatesana.


fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin’izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.


Raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, dia aza mirehareha ianareo ary aza mandainga manohitra ny marina.


Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak’Andriamanitra ao anatintsika.»


Nalahelo mafy i Hanà, ka sady nigogogogo nitomany no nanao tamin’ny Tompo izao vavaka


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra