Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:27 - DIEM PROTESTANTA

27 nanao hoe: –Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin’ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin’ny tranon’ireo havan’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 sady niteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay tsy nanaisotra ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny tompoko! Fa notantanan’NY TOMPO teny an-dalana aho ho atỳ an-tranon’ny havan’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 nanao hoe: –Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin’ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin’ny tranon’ireo havan’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 izaho koa notantanan’i Iaveh amin’ny lalana mankatỳ amin’ny rahalahin’ny tompoko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny tompoko; fa izaho dia notantanan’i Jehovah teny an-dàlana ho atỳ an-tranon’ny havan’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny tompoko; fa izaho dia notantanan'i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon'ny havan'ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 sady niteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay tsy nanaisotra ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny tompoko! Fa notantanan’NY TOMPO teny an-dalana aho ho atỳ an-tranon’ny havan’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:27
31 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: –Aoka tsy hisy fifandirana amintsika na amin’ny mpiandry ireo biby fiompintsika, satria olona mpihavana isika.


Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen’i Abrama an’i Melkitsedèka ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.


Izao no vavaka nataony: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, mba ambino aho anio, ka manehoa fahasoavana amin’i Abrahama tompoko.


Ary nandinika tsara an-drazazavavy tamim-panginana ilay rangahy mba hahafantarany raha nambinin’ny TOMPO tokoa ny diany na tsia.


Fa handeha ho any amin’ny tany fiaviako sy amin’ny havako ianao, ka haka vady ho an’i Itsehàka zanako.


Koa raha vao tonga teo akaikin’ny fantsakana aho androany, dia nivavaka hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko ô, mba ataovy mahomby ny anton-diako.


Nandohalika aho hitsaoka ny TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ary nisaotra Azy noho ny nitondrany ahy tamin’ny lalana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko mba ho an-janany.


Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»


Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.


Dia mbola nampiany hoe: Hoderaina anie ny TOMPO, ilay Andriamanitr’i Sema! Aoka i Kanahàna ho mpanompon’i Sema!


Ary niantso mafy i Ahimahatsa ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: –Fiadanana! Niankohoka nitehi-tany izy teo anatrehan’ny mpanjaka sady nilaza hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa efa natolony anao, ry andriamanjaka, ireo olona nanainga tanana hanohitra anao.


Eny, tsara ny TOMPO: maharitra mandrakizay ny fitiavany ary mahatoky hatrany hatrany Izy.


Nitondra babo Ianao no niakatra eny an-kavoana; nandraisanao fanomezana ny olombelona na dia ireo mpikomy taminao koa aza mba honenanao eo, ry TOMPO Andriamanitra.


Tsy nohadinoin’ny Tompo, ry terak’i Israely, ny naneho fitia sy toetra mahatoky tamintsika; ka dia hitan’ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany fa nandresy tokoa ilay Andriamanitsika.


ka hoy i Jetrao hoe: –Hoderaina anie ny TOMPO Izay nanafaka anareo tamin’ny famoretan’ny Farao sy ny Ejiptianina.


Indray andro, nony efa lehibe i Mosesy, dia niainga nankany amin’ireo mpiray firenena aminy ka nahita azy tao anatin’ny fanompoana mafy. Hitany fa nisy lehilahy ejiptianina iray nikapoka Hebreo iray isan’ny mpiray firenena aminy.


Nony ampitso dia nivoaka indray izy ary nahita Hebreo roalahy niady, ka nanao tamin’ilay diso hoe: –Nahoana no mikapoka ny mpiray firenena aminao ianao?


Avy eo dia nandalo teo anatrehan’i Mosesy IZY sady mbola nanambara hoe: «Izaho no TOMPO, TOMPO Andriamanitra mamindrafo sy miantra, mahari-po sy be fitiavana sady mahatoky.


Mieke Azy amin’izay rehetra alehanao, dia hatorony anao ny soritra harahinao.


Ny soritry ny fahamarinana no izorako dia ny lalana anjakan’ny rariny,


Hasehonao aminay taranak’i Abrahama sy i Jakôba ny toetranao mahatoky sy ny fitiavanao, araka izay efa nianiananao tamin’ny razambenay hatramin’ny andro fahagola.


–Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!


satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Ho an’ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Andriamanitra tokana, tsy mety maty sady tsy hita maso, ho Azy anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


Dia hoy ireo vehivavy tao Betlehema tamin’i Nahômỳ: –Hisaorana anie ny TOMPO fa tsy navelany tsy hanan-kavana mahavotra ianao ankehitriny! Halaza eo amin’i Israely anie ny anaran’ny zafinao!


Dia hoy i Davida tamin’i Abigaîla: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.


Rehefa ren’i Davida fa maty i Nabala, dia hoy izy hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Izay nomba ahy tamin’ny fanalam-baràka nataon’i Nabala, sy niaro ahy mpanompony tsy hanao ratsy ary nampitsingerina teo an-dohan’i Nabala ihany ny ratsy nafitsony. Rehefa izany, dia naniraka hankany amin’i Abigaîla i Davida mba haka azy ho vady.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra