Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 8:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Noho ny baikon’ny amperôra, dia nandeha faingana sy dodona ny iraka, nitaingina soavalim-panjakana haingam-pandeha avy amin’ny fiompian-tsoavalin’ny amperôra. Ary navoaka tao Sosany renivohitra koa izany didy manan-kery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia lasa ny iraka haingam-pandeha izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, nohafainganina sy nododonan’ny tenin’ny mpanjaka izy ireo. Ary novakina tany Sosana, tanàna mimanda, koa ny didy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Noho ny baikon’ny amperôra, dia nandeha faingana sy dodona ny iraka, nitaingina soavalim-panjakana haingam-pandeha avy amin’ny fiompian-tsoavalin’ny amperôra. Ary navoaka tao Sosany renivohitra koa izany didy manan-kery izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan’ny tenin’ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Dia lasa ny iraka haingam-pandeha izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, nohafainganina sy nododonan’ny tenin’ny mpanjaka izy ireo. Ary novakina tany Sosana, tanàna mimanda, koa ny didy.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 8:14
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy: –Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Tantara nalahatr’i Nehemià zanakalahin’i Hakalià. Tamin’ny taona faha-roapolo nanjakàn’i Artakserksesa, volana Kisleo, raha tany an-dapa tao Sosany aho,


Tamin’ny taona fahatelo nanjakany, fony izy nitoetra tamin’ny sezafiandrianana maha andriamanjaka azy tao Sosany renivohitra, dia nanaovany fanasana ireo rehetra andriambaventiny sy mpandraharahany; tonga teo anatrehany koa ny filohan’ny tafik’i Persia sy i Media ary ny governora sy ny mpitondra isam-paritany.


Anendreo olona any amin’ny faritany isan-tokony eran’ny fanjakanao, dia aoka ireo no hamory ny tovovavy virijiny sady tsara tarehy ho atỳ Sosany renivohitra. I Hegay, tandapa mpiandraikitra ny tranom-behivavy, no hitandrina azy sady hanome ny fitaovana hikarakarany tena;


Nisy iraka nampitondraina ireo taratasy ireo ho any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakana. Ny baiko raketiny dia ny handringanana sy hamonoana ho ripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatramin’ny zaza amam-behivavy aza, ary koa ny handrobana ny fananany. Anatin’ny indray andro monja no hanatanterahana izany fandripahana izany, dia ny andro faha-13 amin’ny volana faha-12 na volana Adara.


Ny kopian’io taratasy io dia navoaka ho didy manan-kery amin’ny isam-paritany ary nampahafantarina ny olona rehetra mba hampiomana azy ho amin’izany andro izany.


Noho ny baikon’ny amperôra, dia nandeha faingana ny iraka; ary navoaka tao Sosany renivohitra koa izany didy manan-kery izany. Dia nipetraka hisotro ny amperôra sy i Hamàna, fa very hevitra kosa i Sosany iray tanàna.


Ny kopian’io taratasy io dia navoaka ho didy manan-kery amin’ny isam-paritany ary nampahafantarina ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin’izany andro hamaliany ny fahavalony izany.


Fony i Môrdôkay nivoaka ny lapa, dia akanjo lava vita rongony madinika miloko jaky no nanaovany, fanamiam-piandrianana fotsy sy volomparasy no nitafiany, ary satroboninahitra volamena lehibe no nisatrohany; koa faly sy ravo i Sosany iray vohitra.


Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.


Nojereko ilay fahitana, ka indro aho nahita ny tenako tao Sosàna, tanàna mimanda tao amin’ny faritanin’i Helama; ary hitako tamin’ny fahitana koa fa teo amoron’ny renirano Olay aho.


Tamin’io andro io dia tonga teo anatrehan’ny TOMPO ny mpanompon’i Saoly anankiray, dia Dôega, ilay Edômita lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra