Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Estera 5:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Tamin’io andro io i Hamàna dia nivoaka ny tranon’i Estera tamin-kafaliana sy haravoam-po. Saingy, teo am-bavahadin’ny lapa, rehefa hitan’i Hamàna fa tsy mba nitsangana na niraika teo anatrehany akory i Môrdôkay, dia feno fahatezerana taminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia nivoaka ny trano tamin’izany andro izany i Hamana sady faly sy ravoravo ny fony. Nefa rehefa nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka izy dia feno hatezerana taminy satria tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory i Mordekay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Tamin’io andro io i Hamàna dia nivoaka ny tranon’i Estera tamin-kafaliana sy haravoam-po. Saingy, teo am-bavahadin’ny lapa, rehefa hitan’i Hamàna fa tsy mba nitsangana na niraika teo anatrehany akory i Môrdôkay, dia feno fahatezerana taminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia nivoaka tamin’izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory, dia feno fahatezerana taminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia nivoaka tamin'izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an'i Mordekay teo am-bavahadin'ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia nivoaka ny trano tamin’izany andro izany i Hamana sady faly sy ravoravo ny fony. Nefa rehefa nahita an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka izy dia feno hatezerana taminy satria tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory i Mordekay.

Jereo ny toko dika mitovy




Estera 5:9
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan’i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Tsy homeko anao ny lova avy amin’ny razako.» Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin’ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina.


Dia hoy ny navaliny azy: –Nitenenako i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko na koa hatakaloko tanimboaloboka hafa, raha izany no mety aminao»; fa namaly izy hoe: «Tsy homeko anao ny tanimboaloboko».


Dia nisy famoriana tovovavy fanindroany, ka tamin’izay i Môrdôkay efa mpiasam-panjakana tao an-dapan’ny amperôra.


Ny mpandraharaha rehetra tao an-dapa dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamàna, satria izany no didin’ny amperôra. Fa i Môrdôkay kosa tsy mba nety nanao izany.


Rehefa hitan’i Hamàna fa tsy mba nety nandohalika sy niankohoka teo anatrehany tokoa i Môrdôkay, dia tezitra mafy izy.


Kanefa tsy mahafa-po ahy mihitsy izany rehetra izany, raha ny tenako no mbola mahita an’i Môrdôkay, ilay Jiosy, miasa eo am-bavahadin’ny lapa.


dia vetivety ny fireharehan’ny olon-dratsy ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mpivavaka.


Moa ny fianakaviambeko tsy efa nanao hoe: «Iza no tsy novokisany hena?»


tsy miraharaha izay lavin’Andriamanitra, fa manaja an’ireo mpivavaka amin’ny TOMPO, tsy mivadika amin’ny fianianana vita na dia maningotra ny tenany aza izany;


Raha tafika no tonga hanao fahirano, dia tsy hanan-tahotra akory aho; ary na misy ady mihatra amiko aza, dia handry fahalemana ihany aho.


Tezitra sy nisafoaka mafy i Nebokadnetsara ka nampanalainy i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao. Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo,


Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an’Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin’ny lohasahan’afo.


Tamin’izay dia tsinjon’i Herôda fa voafitak’ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy an-kanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin’ireo olon-kendry.


Mampalahelo ianareo mihomehy ankehitriny, fa mbola higogogogo hitomany!


Lazaiko marina dia marina aminareo fa hitomany sy hisaona ianareo, ary izao tontolo izao kosa hifaly; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo.


Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin’ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin’i Stefàna.


Malahelova, mitomania ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody alahelo ny fifalianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra