Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 9:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Na izany aza, dia mbola manao zinona ny vahoakako ihany ianao, ka tsy mety mandefa azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Mbola mirehareha amin’ny oloko ihany va ianao ka tsy hamela azy handeha?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Na izany aza, dia mbola manao zinona ny vahoakako ihany ianao, ka tsy mety mandefa azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ka indro ianao mbola mitsivalan-kisakana ny vahoakako fa tsy mandefa azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Mbola mirehareha amin’ny oloko ihany va hianao ka tsy handefa azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Mbola mirehareha amin'ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Mbola mirehareha amin’ny oloko ihany va ianao ka tsy hamela azy handeha?

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 9:17
14 Rohy Ifampitohizana  

Manan-kery tahaka Ahy ve ianao na mitalakotro-peo tahaka Ahy?


Lalim-pahendrena Izy sady mahery tsy hay tohaina, koa iza no hanohitra Azy ka ho afa-maina?


Saingy navelako ho velona ianao mba hahitanao ny heriko sy hitantarana ny lazako any amin’ny tany rehetra.


Noho izany, rahampitso amin’ny ora toy izao aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny andro niorenan’ny Ejipta ka mandraka androany.›


Ny famaky ve hirehareha amin’ny mpikapa? Ny tsofa ve hiavonavona amin’ny mpanatsofa? Mova tsy hoe ny tsorakazo indray no manetsika izay mpanainga azy, na mova tsy hoe ny kibay indray no manandratra ny olona mampiasa azy!


TOMPO ô, manandra-tanana handrahona Ianao kanefa tsy ahoan’ireo olon-dratsy akory. Aoka ho menatra izy raha mahita ny zotomponao hiaro ny vahoakanao; eny, aoka handevona azy ny afo izay natokanao ho an’ny fahavalonao!


Eny, efa tezitra nisafoaka tamiko tokoa ianao ary efa tafakatra an-tsofiko ny fireharehànao; koa hasiako farango ny oronao ary hasiako lamboridy ny vavanao, dia hampivereniko any an-taninao ianao amin’izay lalana niavianao ihany.


Lozan’izay sahy manome tsiny ny mpanao azy, kanefa ny tenany dia siny tanimanga toy ny siny tanimanga rehetra ihany! Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe: «Inona ity ataonao?» na ny asa vitany hanao aminy hoe: «Tsy mahay ianao!»


«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Nihevi-tena ho mitovy amin’ireo andriamanitra ianao.


Kanjo nony niavonavona ny fony ary feno fireharehana ny fanahiny, dia naongana teo amin’ny seza fiandrianany izy ary nesorina taminy ny voninahiny.


Niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely an’i Herôda, noho izy nihambo hitovy saranga amin’Andriamanitra; ka dia nohanin-kankana no nahafaty azy.


Sa te hampahasaro-piaro ny Tompo ve isika? Mihevitra ho mahery noho Izy Tompo ve isika?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra