Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Hapetraka eo anoloan’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny vata misy ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia apetaho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Hapetraka eo anoloan’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin’ny fidirana mankao amin’ny fonena-masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Hataonao eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona ny ôtely volamena fandoran-java-manitra, ary hataonao eo amin’ny fidirana ao amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny fiaran’ny Vavolombelona. ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan'ny fiaran'ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin'ny varavaran'ny tabernakely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny vata misy ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia apetaho eo amin’ny varavaran’ny tabernakely.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Hapetraka eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana io alitara io, dia eo anoloan’ny saron’ny Vatamasina izay hihaonako aminao.


Ny alitara fisoronana dia hatao eo anoloan’ny fidirana ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;


Rehefa hiainga ny Israelita dia ho avy i Aharôna sy ny zanany hanala ny lamba mampisaraka amin’ny Toeramasina ka handrakofany ny Vatamasina misy ny Didy folo;


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Fa ny Toeramasina nataon’olombelona, izay sarintsarin’ny tena izy, no nidiran’i Kristy; fa ny lanitra mihitsy no nidirany mba hahazoany ankehitriny mangataka amin’Andriamanitra ho antsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra