Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 38:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Ny 3 000 kilao dia narendrika nanaovana ny faladia zato ho an’ireo andrin’ny Toeramasina sy ny efitra lamba anatiny, izany hoe telopolo kilao isaky ny faladia iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba: Faladia zato tamin’ny talenta volafotsy zato ary talenta iray ho an’ny faladiany iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Ny 3 000 kilao dia narendrika nanaovana ny faladia zato ho an’ireo andrin’ny Toeramasina sy ny efitra lamba anatiny, izany hoe telopolo kilao isaky ny faladia iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta, talenta iray isam-paladia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba: dia faladia zato tamin’ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian'ny fitoerana masina sy ny faladian'ny efitra lamba: dia faladia zato tamin'ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba: Faladia zato tamin’ny talenta volafotsy zato ary talenta iray ho an’ny faladiany iray.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 38:27
6 Rohy Ifampitohizana  

ary hasiana faladia volafotsy efapolo hitondra azy; ka isaky ny hazo fisaka dia faladiany roa avy, izay mifanandrify amin’ny lahiny roa.


miaraka amin’ny faladia volafotsy efapolo; ka faladiany roa avy isaky ny hazo fisaka.


Koa ny lafiny ivohon’ny fonena-masina izany dia hisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.


Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.


Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana.


Ny 17 kilao sisa kosa dia nanaovana ny farangon’ny andry sy nandrakofana ny lohan’ny andry mbamin’ireo anjaka nampitohy ny andry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra