Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 34:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Avy eo dia nandalo teo anatrehan’i Mosesy IZY sady mbola nanambara hoe: «Izaho no TOMPO, TOMPO Andriamanitra mamindrafo sy miantra, mahari-po sy be fitiavana sady mahatoky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary NY TOMPO nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: NY TOMPO, NY TOMPO, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Avy eo dia nandalo teo anatrehan’i Mosesy IZY sady mbola nanambara hoe: «Izaho no TOMPO, TOMPO Andriamanitra mamindrafo sy miantra, mahari-po sy be fitiavana sady mahatoky.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary nandalo teo anatrehany i Iaveh sady niantso hoe: «Iaveh! Iaveh! Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary NY TOMPO nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: NY TOMPO, NY TOMPO, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana,

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 34:6
47 Rohy Ifampitohizana  

nanao hoe: –Hisaorana anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy namela ny fitiavanao sy ny toetranao mahatoky hiala tamin’ny tompoko Ianao, fa teny an-dalana aho dia nentinao hankaty amin’ny tranon’ireo havan’ny tompoko.


Ary hoy i Davida tamin’i Gada: –Sanganehana mafy aho; nefa aleoko ho azon’ny tanan’ny TOMPO, toy izay ho azon’ny tanan’olona, satria lehibe tokoa ny famindrampon’ny TOMPO.


Dia hoy ny TOMPO hoe: –Mivoaha tao ka mitsangàna eo an-tendrombohitra eo anatrehako fa handalo Aho. Dia nisy rivotra nifofofofo mafy izay nampitresaka ny tendrombohitra ary nanamontsana ny vatolampy teo anatrehan’ny TOMPO; nefa tsy tao amin’izany rivotra izany ny TOMPO. Rehefa nitsahatra ny rivotra, dia nisy horohorontany; nefa tsy tao amin’ny horohorontany ny TOMPO.


Mba henoy ny fifonako sy ny an’ilay Israely vahoakanao, rehefa mivavaka mitodika amin’ity toerana ity izahay. Mba mihainoa any an-danitra toeram-ponenanao Ianao; eny, mihainoa anay ka mamelà ny helokay.


Fa raha miverina amin’ny TOMPO ianareo, dia hahazo famindrampo ireo mpiray firenena sy mpiray fianakaviana aminareo eo anatrehan’izay nitondra azy ho babo, ka dia ho tafaverina indray amin’ity tany ity. Miantra sy mamindrafo tokoa manko ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hiambohoany ianareo raha miverina aminy.


ary nandà tsy nety nanaraka izany sady tsy nahatsiaro ny zava-mahagaga nataonao hanasoavana azy; eny, nanamafy ny hatony izy ka nanao di-doha hiverina amin’ny fanandevozana azy tany Ejipta. Fa Andriamanitra mpamela heloka Ianao, Andriamanitra miantra sy mamindra fo, ary mahari-po sady be hatsarampo, ka dia tsy nafoinao ny razanay.


TOMPO ô, vory vahoaka no hiderako Anao; ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,


Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony. Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.


mafy orina hatrany ka ho mandrakizay ireny, mahatoky sy mahitsy no nanaovany azy.


na dia ao anatin’ny haizina aza dia iposahan’ny hazavana ireo olo-mahitsy izay miantra sy mamindrafo ary mitandro ny fahamarinana;


Miantra sy marina ny TOMPO, mamindrafo ny Andriamanitray.


Miankohoka mitodika ny tempolinao masina aho sy midera Anao noho ny fitiavanao mahatoky, fa ny lazanao sy ny fampanantenànao dia nataonao ambonin’ny zava-drehetra.


Miantra sy be indrafo ny TOMPO, tsy malaky tezitra ary be fitiavana;


dia Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao amin’ireny, mitandro fahamarinana hatrany


Ataovy moana ireo fa mpandainga sady sahisahy mamely olo-marina amin’avonavona sy fanamavoana.


Tompo ô, vory vahoaka no hiderako Anao ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,


Kanefa Ianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrafo sy miantra, mahari-po sady be fitiavana amam-pahamarinana.


Tompo ô, Ianao no tsara fo sady mpamela heloka, be fitia amin’izay rehetra miantso Anao.


Harovany amin’ny elany ianao; eo ambany elany no hialofanao tahaka ny zanak’akoho eo ambany ela-dreniny. Ny fahamarinany no ampinga fiarovana,


Aza miankohoka eo anatrehan’ireny sampy ireny ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin’izany ka mankahala Ahy, dia hofaiziko izy sy ny taranany hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika;


«Aza miteny ratsy Ahy Andriamanitrareo, ary aza manozona ny filohan’ny firenenareo.


Dia novalian’ny TOMPO hoe: –Handalo eo anatrehanao Aho ka haneho aminao ny hatsaram-poko manontolo sady hanambara ny anarako hoe «Ny TOMPO». Fa hiantra izay tiako hiantrana Aho, ary hamindrafo amin’izay tiako hamindrana fo.


Aoka tsy hialanao mihitsy ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; kajio toa firavaka fiambozonanao izany, ary soraty ao am-ponao toy ny amin’ny vatofisaka.


Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan’ny olona hanao ratsy.


Amin’izany andro izany dia hiteny ianareo ka hanao hoe: «Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany, ambarao amin’ny vahoaka rehetra ny asany, ampahatsiarovy azy fa tsy hay takarina ny anarany.


Fa izay hifampirary fitahiana eto amin’ity tany ity, dia hifanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky; izay hianiana eto amin’ity tany ity, dia hanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky. Hoy kosa ny TOMPO hoe: Eny, ireo fahoriana taloha dia hohadinoina sy ho voakosoka tanteraka tsy ho eo imasoko.


Maneho fitiavana hatramin’ny taranaka faharivo Ianao; fa raha misy nanao fahadisoana kosa ny ray aman-dreny, dia ny zanany no asainao mizaka ny vokatr’izany. Andriamanitra lehibe sy mahery Ianao, ary TOMPOn’izao rehetra izao no anaranao.


Indro avy ny andro, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, izay hirotsahako an-tsehatra hamely ireo voafora ivelany fotsiny:


vaovao isa-maraina ireny. Fatratra ny toetranao mahatoky, Tompo ô!


Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina fa ny fonareo indrindra no ovay.» Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo: Fa miantra sy mamindrafo Izy mahari-po sady be fitiavana ary mamoy ny loza nandrahonany.


Nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, izao indrindra no efa nahîko raha mbola tany amin’ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsîsy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin’ny loza.


Tsy misy andriamanitra mitovy aminao, ry TOMPO mpanaisotra ny heloka. sy mpamela ny fahadisoana. Noho ireo sisa velona aminay vahoaka fanananao, dia tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay Ianao fa tia maneho fitiavana aminay.


Hasehonao aminay taranak’i Abrahama sy i Jakôba ny toetranao mahatoky sy ny fitiavanao, araka izay efa nianiananao tamin’ny razambenay hatramin’ny andro fahagola.


Tsy mora tezitra ny TOMPO, nefa lehibe ny heriny, ary tsy avelany ho afa-maina ny meloka. Tafio-drivotra mahery no amin’izay alehan’ny TOMPO; ny rahona no toy ny vovoka apariaky ny dian-tongony.


Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?


satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Sa be hamoram-po sy fandeferana ary faharetana Andriamanitra ka tsiratsirainao? Tsy fantatrao angaha fa ny hamoràm-pony dia tokony hitarika anao hiala amin’ny toe-dratsy?


Miantso ny anaran’ny Tompo aho; ry Israelita, ekeo fa lehibe ny Andriamanitsika!


fa Andriamanitra mamindrafo ilay TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hahafoy anareo na handringana tanteraka anareo na hanadino ny fanekempihavanana izay efa nianianany tamin’ny razambenareo.


nefa kosa amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko, dia mamindrafo hatrany amin’ny taranaka faharivo Aho.


Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan’i Jôba, ary fantatrareo izay nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra