Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 34:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Avy eo dia nanatona koa ny Israelita sisa rehetra, ka nampitain’i Mosesy taminy ny baiko rehetra izay nandidian’ny TOMPO azy tao an-tendrombohitra Sinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Taorianan’izany dia nanakaiky koa ny Zanak’Israely rehetra; ary nandidy azy ireo i Mosesy araka izay rehetra nolazain’NY TOMPO taminy tao amin’ny tendrombohitra Sinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Avy eo dia nanatona koa ny Israelita sisa rehetra, ka nampitain’i Mosesy taminy ny baiko rehetra izay nandidian’ny TOMPO azy tao an-tendrombohitra Sinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Vao izay vao nanatona koa ny zanak’i Israely rehetra, ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin’i Iaveh tany an-tendrombohitra Sinaia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak’Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain’i Jehovah taminy tao amin’ny tendrombohitra Sinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 34:32
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’ny TOMPO amiko ihany no hambarako.


Dia hoy indray ny TOMPO hoe: –Ireto koa ny fitsipika izay hovelabelarinao eo anatrehan’ny Israelita:


Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.


Niantso an-dry zareo i Mosesy, koa nanatona i Aharôna sy ny lehiben’ny vahoaka, dia niresaka taminy.


Rehefa vitan’i Mosesy ny teny nataony, dia nosaronany voaly ny tarehiny.


Novorin’i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: –Ireto no zavatra nandidian’ny TOMPO hotanterahinareo:


Hahatsiaro sy hankatò ny didiko rehetra ianareo ka ho voatokana ho Ahy.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Fa izao no hafatra noraisiko tamin’ny Tompo ary nampitaiko taminareo: I Jesoa Tompo tamin’ilay alina nanolorana Azy, dia nandray mofo;


Izao no fampianarana isan’ny voalohany indrindra voaraiko ary nampitaiko taminareo: i Kristy dia maty ho fanalana ny fahotantsika araka ny voalazan’ny Soratra Masina,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra