Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 34:11 - DIEM PROTESTANTA

11 «Tandremo tsara izay rehetra andidiako anareo anio, dia horoahiko eo anoloanareo ny Amôrita sy ny Kanahanita, ny Hetita sy ny Perizita ary ny Hivita sy ny Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Tandremo izay andidiako anao anio. Indro, horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita, ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 «Tandremo tsara izay rehetra andidiako anareo anio, dia horoahiko eo anoloanareo ny Amôrita sy ny Kanahanita, ny Hetita sy ny Perizita ary ny Hivita sy ny Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 «Tandremo izao andidiako anao izao: Indro horoahiko eo anoloanao ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Tandremo izay andidiako anao anio. Indro, horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita, ny Kananita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 34:11
23 Rohy Ifampitohizana  

i Kanahàna koa no razambe nipoiran’ny Jebosita sy ny Amôrita, ny Girgasîta


Tamin’izany fotoanandro izany, dia hitako fa nisy Jiosy efa nanambady vehivavy asdôdita sy hamônita ary môabita.


Halefako hialoha anareo koa ny takolapanenitra ka hampandositra ny Hivita sy ny Kanahanita ary ny Hetita mialoha ny fahatongavanareo.


koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»


Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Nataon’ny TOMPO izay nangatahin’i Mosesy taminy: nesoriny ny fihitra, ka tsy nisy fihitra tavela intsony na iray aza.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin’ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.


Henoy sy tandremo ireo didy rehetra izay ampitaiko aminareo ireo, mba ho sambatra lalandava ianareo sy ny taranaka amam-paranareo, satria izay tsara sy mahitsy eo imason’ny TOMPO Andriamanitrareo no hotanterahinareo.


Raha ekenareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia hasandrany ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany ianareo;


Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana; ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany etỳ. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ary mandidy anao handringana an’ireo.


Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay ampitaiko aminareo anio, mba hahita soa ianareo sy ny taranaka amam-paranareo ary mba ho maro andro ianareo any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny taona rehetra.


Koa himasoanareo, hoy indray i Mosesy, ny hanatanteraka izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo ary tsy hivily na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia ianareo.


Ary ho toetra marina ny antsika raha imasoantsika ny hanatanteraka manontolo izany didy izany eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitsika, araka izay nampitainy tamintsika.


Henoy izany, ry vahoaka Israely, ary imasoy ny hanatanteraka azy, mba ho sambatra sy hitombo isa ianareo any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.


Masonareo no nahita ny fampahoriana mafy nafitsony an-dry zareo, ny famantarana sy zava-mahagaga vitany ary ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina namoahany anareo tany Ejipta: toy izany koa no hataon’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny firenena rehetra izay atahoranareo!


Ary ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no handroaka ireo firenena mbola tavela ireo sy hampandositra azy eo anoloanareo; ka hanjary ho fanananareo ny taniny araka izay efa nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra