9 apetaho ny fehikibony sy ny satroka boribory. Manomboka hatreo dia ho anjara raikitra ho azy ireo ny fisoronana. «Ary toy izao no hanamarihanao ny fidiran’i Aharôna sy ny zanany lahy amin’ny raharahany:
9 Afehezo azy ireo ny fehikibo, dia amin’i Arona sy ireo zanany; asatrohy azy ireo koa ny satroka boribory; fa ho azy ireo ny fisoronana; ho lalàna maharitra izany. Dia toy izany no hanokananao an’i Arona sy ireo zanany.
9 apetaho ny fehikibony sy ny satroka boribory. Manomboka hatreo dia ho anjara raikitra ho azy ireo ny fisoronana. «Ary toy izao no hanamarihanao ny fidiran’i Aharôna sy ny zanany lahy amin’ny raharahany:
9 Ary fehezo amin’ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’i Arona sy ny zanany.
9 Ary fehezo amin'ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an'i Arona sy ny zanany.
9 Afehezo azy ireo ny fehikibo, dia amin’i Arona sy ireo zanany; asatrohy azy ireo koa ny satroka boribory; fa ho azy ireo ny fisoronana; ho lalàna maharitra izany. Dia toy izany no hanokananao an’i Arona sy ireo zanany.
I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.
«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.
Dia hoy i Mosesy tamin’ny Levita: –Androany dia voatokana ho amin’ny fanompoana ny TOMPO ianareo, satria novonoinareo na dia ny zanakareo sy ny rahalahinareo aza. Homen’ny TOMPO anareo anio anie ny fitahiana.
dia hohosoranao ilomasina toa an-drainy izy mba hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy. Noho izany hosotra izany, dia ho voatokana ho mpisorona raikitra ho Ahy izy sy ny taranany mifandimby.»
Fa ianao sy ny taranakao kosa dia hanatanteraka ny fisoronanareo eo amin’ny alitara sy ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ao ambadiky ny efitra lamba. Izaho no hanome anareo maimaimpoana izany asa fisoronana izany; raha misy olon-kafa manakaiky eo dia tsy maintsy maty izy.
izany fanekempihavanana izany dia hahatonga ny tenany sy ny taranany ho mpisorona hatrany, satria niseho ho saro-piaro momba Ahy i Pinehasa ka nahazo famelan-keloka ho an’ny Israelita.
Fa ny taranak’i Levỳ no voafidin’ny TOMPO Andriamanitra tamin’ny foko israelita rehetra hanao lalandava ny fanompoam-pivavahana amin’ny anaran’ny TOMPO.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.