Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 23:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Izaho TOMPO Andriamanitrareo irery ihany no hivavahanareo; amin’izay Aho dia hitahy anareo ka hanome anareo sakafo sy fisotro, sady hampanalavitra ny aretina aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Fa manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy, ary hesoriko aminao ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Izaho TOMPO Andriamanitrareo irery ihany no hivavahanareo; amin’izay Aho dia hitahy anareo ka hanome anareo sakafo sy fisotro, sady hampanalavitra ny aretina aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hitso-drano ny mofonao aman-dranonao Aho ary hampanalaviriko anao ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Fa manompoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Fa manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy, ary hesoriko aminao ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 23:25
26 Rohy Ifampitohizana  

Fa Izy no mamela ny heloko rehetra ary manasitrana ny aretiko rehetra.


Hoy Izy taminy: «Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.»


Izany olona izany no honina eny amin’ny toerana avo tsy hay anihina; ny harambato mafy no ho fialofany, homena hanina sahaza azy izy ary hiantohana rano hosotroiny.


Tsy hisy intsony amin’ny mponin’i Jerosalema hiteniteny hoe: «Marary aho!» Ny vahoaka mitoetra ao amin’io tanàna io dia ho voavela heloka.


ka avela hiparitaka eo anatrehan’ny masoandro sy ny volana ary ny andian-kintana eny amin’ny lanitra izay notiavin’ireny olona ireny ka nivavahany sy niraiketany, ary nanontaniany hilan-kevitra sy niankohofany. Tsy hangonina na halevina intsony ireo taolana ireo fa ho tonga zezika eny ambonin’ny tany.


Ary nony tapitra ny folo andro, dia hita fa tsara endrika sy natavy kokoa izy noho ny zatovo rehetra izay nihinana ny hanina fihinan’ny mpanjaka.


Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Masina Aho ka mitandrema tena mba ho masina ianareo; ary aoka ny tenanareo tsy holotoinareo amin’izay bibikely mandady amin’ny tany.


«Raha manaraka ny lalànako ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko,


Ento manontolo àry ny ampahafolon-karena ho ao an-trano fitahirizana azy, mba tsy ho tapaka sakafo ao an-tempoliko. Ary zahao toetra amin’izany ny tenako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia ho hitanareo fa hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra hampidinako fitahiam-be miavosa aminareo.


Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao!»


Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin’ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.


Ilay TOMPO Andriamanitrareo no hohajainareo, Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo, ary ny anarany no hianiananareo.


dia aza henoinareo ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany. Mizaha toetra anareo manko ny TOMPO Andriamanitrareo hahalalany raha tia Azy TOMPO Andriamanitra amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ianareo.


Ilay TOMPO Andriamanitrareo ihany no hohajainareo, Izy no hotompoinareo, ary ny anarany no aoka hianiananareo.


Eny, ho tiany sy hotahîny ary hohamaroiny ianareo; hotahîny ny zaza haterakareo sy ireo vokatry ny taninareo, dia ny varinareo sy ny divainareo ary ny menakareo; hotahîny koa ny vokatry ny fiompianareo, dia ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razambenareo fa homena anareo.


Ary harovan’ny TOMPO tsy ho azon’aretina ianareo, ka tsy hisy hamelezany anareo ny aretin-dratsy izay fantatrareo fa nanjo an’i Ejipta; saingy hafitsony amin’izay rehetra mankahala anareo kosa ireny.


Izao anefa: Imasoy tsara ny hanatanteraka ny didy aman-dalàna rehetra izay nampitain’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO taminareo, ka hitiavanareo ny TOMPO Andriamanitrareo, hizoranareo amin’ny lalana rehetra nosoritany, hitandremanareo ny didiny, hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.


Fa hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: –Tsia, fa ny TOMPO ihany no hotompoinay.


Ka niteny tamin’i Josoa ny vahoaka hoe: –Ny TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny baikony no hankatoavinay.


Hoy kosa i Samoela taminy: –Aza matahotra. Marina fa nanao ireny ratsy isan-karazany ireny tokoa ianareo; kanefa aza miala amin’ny TOMPO intsony, fa manompoa AZY amin’ny fonareo manontolo.


Izao ihany no ataoko aminareo: hajao ny TOMPO ka tompoy marina amin’ny fonareo manontolo, ary tsarovy ny zava-dehibe izay nataony ho anareo.


ka nilazan’i Samoela hoe: –Raha amin’ny fonareo manontolo tokoa no hiverenanareo amin’ny TOMPO, dia atsaharo ny fanompoanareo andriamani-kafa sy fanompoanareo ny sampy Hastôreta; aoka hiraiki-po amin’ny TOMPO ianareo, ary aza manompo afa-tsy Izy irery ihany, fa hovonjeny tsy ho voagejan’ny Filistinina ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra