Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 20:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Namaly azy ireo i Mosesy hoe: –Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anoloanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Namaly azy ireo i Mosesy hoe: –Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Fa hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Aza matahotra ianareo fa ny hizaha toetra anareo no nahatongavan’Andriamanitra, ka ho eo aminareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia hoy Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan’ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Dia hoy i Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anoloanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 20:20
22 Rohy Ifampitohizana  

Namaly kosa i Abrahama hoe: –Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an’Andriamanitra amin’ity toerana ity, koa hovonoin’ireo aho noho ny amin’ny vadiko.


Taorian’izany toe-javatra izany, dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka niantso azy hoe: –Ry Abrahama! Dia namaly i Abrahama hoe: –Inty aho.


Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.


Kanefa ireo governora talohako dia nanahirana ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekela volafotsy efapolo; eny, na ny mpanompony aza, dia nisetrasetra tamin’ny olona. Izaho kosa tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.


Dia hoy Andriamanitra tamin’ny olona: «Ny fanajana ny Tompo, izany no Fahendrena; ary ny fialana amin’ny ratsy no fahalalana.»


Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.


Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahalalana. Fa ny adala kosa manamavo fahendrena amam-panabeazana.


Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin’ny ratsy.


Aza manao ny tenanao ho hendry, fa hajao ny TOMPO ka ialao ny ratsy.


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay mitantana anao amin’ny tanan-kavananao sady mamerimberina aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.»


Ny TOMPOn’izao rehetra izao ihany no aoka hoekenareo ho masina! Izy no hatahoranareo sy hangovitanareo.


Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain’ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin’ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo.


Na dia tanteraka aza ny famantarana na zava-mahagaga nolazainy taminareo, kanefa avy eo izy manainga anareo hanaraka sy hanompo andriamani-kafa saingy andriamanitra tsy fantatrareo,


Aza hadinoinareo ny zavatra hitanareo maso tamin’ny andro nijoroanareo teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny TOMPO nilaza tamiko hoe: «Avondrony ho eto amiko ny vahoaka israelita, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hanajany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.»


Ny tanjona kendrena, ho an’ny andro rehetra iainanareo, dia ny hanajanareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka hitandremanareo ny lalànany sy didiny rehetra izay ampitaiko aminareo sy amin’ny taranakareo mba ho maro andro ianareo.


Nodidian’ny TOMPO isika hanatanteraka ireo lalàna rehetra ireo sy hanaja Azy TOMPO Andriamanitsika, mba ho sambatra lalandava sy ho velona aina tahaka ny amin’izao anio izao.


Izy koa, tatỳ an-taniefitra, no namahana anareo tamin’ny mana, izay hanina tsy fantatry ny razanareo; nampanetry tena anareo sy nizaha toetra anareo Izy mba hahasambatra anareo rahatrizay.


Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.


Dia hoy ihany i Josoa hoe: –Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO.


Hoy kosa i Samoela taminy: –Aza matahotra. Marina fa nanao ireny ratsy isan-karazany ireny tokoa ianareo; kanefa aza miala amin’ny TOMPO intsony, fa manompoa AZY amin’ny fonareo manontolo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra