Eksodosy 14:30 - DIEM PROTESTANTA30 Namonjy ny Israelita teo an-tanan’ny Ejiptianina ny TOMPO tamin’izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201130 Toy izany no namonjen’NY TOMPO ny Israely mba tsy ho azon’ny Ejiptiana tamin’izany andro izany; ary hitan’ny Israelita teny amoron’ny ranomasina ny fatin’ny Ejiptiana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara30 Namonjy ny Israelita teo an-tanan’ny Ejiptianina ny TOMPO tamin’izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. Jereo ny tokoBaiboly Katolika30 Koa novonjen’i Iaveh ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejiptianina i Israely tamin’izany andro izany, ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy30 Izany no namonjen’i Jehovah ny Isiraely tamin’izany andro izany mba tsy ho azon’ny Egyptiana; ary hitan’ny Isiraely teny amoron’ny ranomasina ny fatin’ny Egyptiana. Jereo ny tokoMalagasy Bible30 Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache30 Toy izany no namonjen’NY TOMPO ny Israely mba tsy ho azon’ny Ejiptiana tamin’izany andro izany; ary hitan’ny Israelita teny amoron’ny ranomasina ny fatin’ny Ejiptiana. Jereo ny toko |
Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan’ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady ombàn’ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan’ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta.