20 Avy eo ianao, ry mpanjaka, dia nahita anjely fatra-piahy nidina avy tany an-danitra sady nandidy hoe: «Kapao io hazo io ka simbao! Kanefa avelao ao amin’ny tany, eo anivon’ny ahi-maitso any an-tsaha, ny fotony sy ny fakany, ka hodidino fehy vy sy halimo. Ary aoka ho kotsan’ny ando io foto-kazo io ary aoka hiombona anjara amin’ny biby eny an-tsaha izy mandritra ny fito taona.

20 Ary ny nahitan’ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin’ny tany ao amin’ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ny andon’ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ny bibi-dia, ambara-pahalanin’ny fetr’andro fito aminy,–
20 Ary ny nahitan'ny mpanjaka ny mpiambina masina anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin'ny tany ao amin'ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan'ny andon'ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin'ny bibi-dia, ambara-pahalanin'ny fetr'andro fito aminy,
Rehefa nataoko izay hianjeran’io hazo io mba hidinany any amin’ny toeran’ny maty ho tafaraka amin’ireo efa tafidina any, dia nampihorohoroiko ireo firenena nony nandre ny fianjerany. Fa tany ambanin’ny tany kosa dia samy afa-po avokoa ireo hazon’i Hedèna, dia ireo hazo voafantina sady soa indrindra ary vonton-drano tao Libano.